Pessah jiosy tsy ikalahafa amin’ny Paska kristianina

«Jesosy : Jiosy tao Palestina, mpanangana ny fivavahana kristianina», hoy ny «dictionnaire Larousse» eto ambany masoko. Adinodino tsy dia antitranterina loatra fa manana firazanana jiosy ny fivavahana kristianina. 

Ny boky dimy voalohany amin’ny «Baiboly hebreo» dia hajain’ny Jiosy manokana noho izy hoe noraisina mivantana tamin’i Mosesy (na Moizy). Ireo no antsoina hoe «Torah». Malaza ho anisan’ny manakaiky indrindra «Izay Voasoratra» tany am-piandohana ny dikan-teny malagasin’ny Baiboly izay tsangambaton’ireo misionera britanika David Jones sy David Griffiths ary James Cameron (avy amin’ny LMS : London Missionary Society), notronin’ny Ntaolo malagasy, ary vita printy manontolo tamin’ny 21 jona 1835. 

Genesisy na «Fiandohana», Eksodosy na «Fahafahana» (rehefa nilefa an’i Ejypta), Levitikosy na «Fisoronana» (ireo fomba amam-panao), Nomery na «Fanisana» (ireo Zanak’Israely 12 Foko), Deoteronomia na «Famerenan-Teny». Ny «Didy Folo» ao amin’ny Eksodosy sy Deoteronomia, anatin’ny «Baiboly hebreo», dia nolovain’ny Kristianina saika tsy nasiam-panovana.  

Adinodino fa nialoha indrindra ny «Paska» jiosy no nilazan’i Jesosy hoe «Fantatrareo fa raha afaka indroa andro dia ho tonga ny Paska, koa ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazo fijaliana» (Matio, 26,2). Ny fiomanana amin’ny «Paska» jiosy dia ny alin’ny zoma hatramin’ny alin’ny sabata, nanaraka ny andro fihinanana ny mofy tsy misy lalivay, araka ny fomba amin’ny Paska jiosy : io no lasa «Alakamisy masina» amin’ny finoana kristianina. Noho ny maha «andro firavoravoana» azy, ho an’ny Jiosy, no nanafainganana ny fitsarana sy ny fanamelohana an’i Jesosy ary ny fanafenana ny razana. 

Ny «Paska» dia avy amin’ny teny hebreo «Pessah», ilay «Fetin’ny Fety rehetra» : fampatsiahivana ilay sazy farany natao an’i Farao raha mbola tsy nandefa ny vahoakan’Israely. Isaky ny «Paska» ny Jiosy» no mahatsiaro ny nivoahana an’i Egypta, ny nialany tamin’ny fanandevozana. Mahatadidy ihany koa izy ny tsy namonoana ny lahimatoany isam-pianakaviana. 

Ny Malagasy sasany mihevitra fa misy fomba sy fanao jiosy amin’ny Kolontsaina malagasy. Araka ny Torah, dia anatin’ny volana «Nissan», voaloham-bolana amin’ny kalandiary masina jiosy izao : talohan’ny nahavery ny Zanak’Israely dia volan’ny Abib no anarany, satria lohataona fijinjana ny salohin’ny «orge», karazana varim-bazaha, efa vokatra. Io ilay «abib» tanisain’ny ohabolana hoe «Mahita volana alohan’ny abib». Moa tsy mampatsiahy ny «vakiambiaty» : «anarana omena any anivon-tany ny vary afafy amin’ny volana septambra, izay ahavakian’ilay zavamaniry atao hoe ambiaty, ketsaina amin’ny volana desambra ary jinjaina amin’ny volana avrily na mey» (Rakibolana). 

Efa 3300 taona izao no anamarihin’ny Jiosy ny «Paska», hatramin’ny nandosirany ny tany Egypta. Tamin’ity taona ity, dia ny 12 ka hatramin’ny 20 aprily 2025, no fankalazana ny «Pessah». Raha maro tokoa no mandala ny fivavahana jiosy eto Madagasikara, mendrika ho andro fety ihany koa ny «Pessah». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne