Mizaha tany

Mbola tsy teraka ny tena, tamin’ny 26 jona 1967, nitokanana ny seranam-piaramanidina Ivato. Talohan’io andro io dia tany Arivonimamo no fanaterana ireo havana ho any andafin’ny riaka. 

Asa re, «fitsangatsanganana» fotsiny sa efa «fivahiniana» mihitsy ny telopolo kilometatra latsaka kely nampisaraka an’Antananarivo-Renivohitra sy Arivonimamo tamin’izany. Mbola tsaroana mantsy, taty amin’ny taona valopolo (1980s), manao ahoana izany «ho eny Ivato». Temitra olona ny lavarangana ambony, mbola tsy nisy fefy rahateo, ka afaka nakiraviravy tery amin’ny sisiny aza ny tongotra, mandra-pahatongan’ireo «avy any Andafy». 

Efapolo taona aty aoriana, somary gaga ihany nahita ilay filazana hoe «tsy azo hitsangatsanganana» ny faritry ny seranam-piaramanidina mandritra ny andron’ny Paska. Ny foto-drafitr’asa ve no tsy misy sa ny saina no tsy zatra miitatra sa entin’ny tsy fananana, no tsy lasa lavitra ? 

Valoambinifolo taona lasa tany ho any, andro Paska tahaka izao, vao nisokatra io by-pass io, nitohana hatrany ankoatra an’Ambatofotsy ny fifamoivoizana raha niverina avy any Ambatolampy (mbola tsy matin’ny hidin-dalana noho ny Covid ny «Rendez-vous des Pêcheurs»). Vahoaka sesehena sy fiara marobe naka sisiny Iavoloha ka hatrany Amboromanina. Tsy arabe no fiheveran’ny olona ilay by-pass fa fanaovana pique-nique sy «firevena». 

Tamin’izany koa moa, mbola tsy nisy loatra ny «remblais» isan-karazany nipetrahan’ny varotra maro :  mpivarotra fiara, mpanamboatra fiara, mpaninjara kojakoja fiara, mpanasa fiara, mpivarotra lasantsy, «restaurant», «espace», «karaoke»... Raha izao mantsy, toa mba sampona ihany raha eo an-tokotanin’ny pharmacie no hamelatra tsihy. 

Aty amintsika ihany angamba aloha ny «station-service» no lasa «firevena». Satria nahoana ? Madio, milamina, manana «frigo», misy «WC». Toerana firy, somary mihataka, irony hoe «aire de pique-nique» irony, no mahafeno ireo fepetra ireo ?

Fony mbola tsy nisy io lalana Tsarasaotra-Ivato io, ireny by-pass ireny, na ny «rocade» Ambohitrimanjaka-Andranotapahina sy Ankerana-Ankadihevo, voatety ny lalana an-tehezam-bohitra manodidina an’Antananarivo : manjavona eo Belanitra-Namehana, mihodina any Fieferana, mivoaka any Ambatolampikely ; miditra «Resto-Gasy», mandalo Ambohijanaka, tonga Ambohibato-Ambohipeno afaka manohy hatrany Imerinkasinina ; Lazaina-Ambatoharanana-Imerimandroso-Ambohidava-Fiakarana-Ambohidratrimo : tsy lalana «épreuve spéciale» izany fa tena fizahan-tany tokoa. 

Na adinon’ny «Lalam-pirenena» aza ireo reni-vohitra isan’Efa-toko fahiny (Avaradrano,  Vakinisisaony, Ambodirano, Marovatana), toerana nifanerasera sy nifandray ireny fahizay. Misy lalana tsy ampoizina foana, raha mbola eto an-kibon’Imerina. Ireny no aleha fitsangatsanganana fa tsy seranam-piaramanidina, tsy «gare routière» (mbola tsy misokatra), tsy by-pass. 

Manodidina io by-pass io fotsiny, voatondro ho isan’ilay «commission interministérielle élargie chargée d’observer la préservation du domaine public» raha Ambohimangakely, Alasora, Ambohijanaka, Ankaraobato sy Andoharanofotsy, miampy an’i Tanjombato voakasika tamin’ny «enquêtes de commodo et incommodo» notanterahina tamin’ny volana febroary 2003. Ny ambanivohitr’ireo tanàna ireo ve dia tsy mba hisy tamingan-kazo hampielo ny mpianakavy mila ravin’ahitra amin’ny ladina an-tany. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne