Tsy firenena fandraisam-bahiny

Sahirana ny fiaraha-monina mifandrafy noho ny Kolontsaina tsy mitovy. Mbola mihoatra noho ny ara-poko aza ny fahasarotan’io fiaraha-monina ara-kolontsaina io. Ny Andriamanitra ivavahana. Ny hanina tsy fadiana. Ny fomba fitafy. 

Efa hita any amin’ireo firenena eoropeana, izay sady mpamatsy vola antsika no mpambosy hevitra izay tsy voatery ifanarahana, ny loza ateraky ny Kolontsaina mifandrafy anaty fiaraha-monina iray. 

Hatramin’ny 1945, niafaran’ny Ady Lehibe Faharoa, dia te-ho deraina hoe “demokratika” sy fatra-panaja ny zon’olombelona, ary “malala-tsaina” manalavitra ny fanavakavahana amin’ny endriny rehetra, ny any Eoropa. Foana ny fanamelohana ho faty, na dia heloka feno habibiana aza. Omena vahana ny LGBT++, mampivady ny samy vavy na ny samy lahy. Naman’ny mamono tena, mampiantrano vahiny sesehana, mpitsao-ponenana tsy vonona hanaja ny fomban-tany vantaniny fa mainka aza hikosoka sy hamafa ny Kolontsain’izay adala mampiantrano.

Gasy samy Gasy aza, mila hanao adim-poko noho ny fifindra-monina anatiny, rehefa zimbain’ny mpiavy ny fomban’ny tompon-tany. Maninona isika no mbola hilingilingy hanokatra sisin-tany ho an’izao tsy fanta-piaviana rehetra izao. Zara ary i Madagasikara ka Nosy anivon’ny riaka, fa raha tsy izany dian-tongotra dia rakotra vahiny ao alatrano.

Fomba ahoana tokoa no nidiran’itony olona dimanjato mangataka fiarovana itony teto Madagasikara ? Hialokaloka eto Madagasikara anefa ny Gasy aza efa difotry ny fahasahiranana ? Lalàna iraisam-pirenena mila vaniny raha misy tery vay manta ho atao amin’i Madagasikara hoe tsy maintsy mampiantrano an’ireo. Ary izany no tena ho fanafintohinana fa tsy ny fahasahiantsika hanao TSIA.

Avy aiza, fomba inona, fivavahana ahoana. Fanaon’ny firenena sarotiny amin’ny maha firenena azy ny mamotopototra ary mandà na mandroaka izay tsy ho azo iaraha-monina.

Tsy maninona izay tondro-molotra hilazana azy, na hoe mpanavakavaka, mpanilikilika, «raciste», “fasciste”, “apartheid”, fa tsy misy firenena, na iza na iza, voatery hanao varo-boba ny an’arivo taona naha-izy azy, izay faritan’ny Tany, Teny, Tantara. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne