Tantara lasa «gravillon»

Hatramin’ny taona 1869, ilay nanaovana batisa ny Mpanjakavavy Ranavalona II sy ny Praministra Rainilaiarivony, narahan’ny fivoaran’ny finoana katôlika nentin’ny Jesoita, dia saika fomban-tany teto Imerina ny vohitra misy tilikambo roa, protestanta sy katolika, otronin’ireo Trano Gasy mbola tsy niharan’ny hetraketraky ny «béton». 

Tazanin-davitra, topaza-maso avy ety ambany, miatrika avy ety atsimo-atsinanana, io manangasanga ny tilikambon’ny Fiangonana protestanta Ambohitrombihavana. Ato atsinanany, saran’ny fandrosoana sa vidin’ny fahasahiranana iainan’ny rehetra, mijoalajoala mandindona ny andry mitondra ny relais 4G. 

Fa ny tena manimba maso ary mahavaky fo dia ity lavaka be, tsy manam-pitsaharana, fery amin’ny takibam-bohitra. Lasa fangalan’ny sasany «moellon» sy «gravillon» ny vohitr’Andrianamboninolona, razamben’ny Mpanjakan’Antananarivo sy Imerina satria Ratsitohina, zanany vavy, no vadin-dRalambo niterahany an’Andrianjaka : Andrianjaka, raiben’Andriamasinavalona ; Andriamasinavalona raiben’Andriambelomasina ; Andriambelomasina raiben’Andrianampoinimerina ; Andriambelomasina, razamben’ireo Mpanjaka tamin’ny taonjato faha-19.   

«Rafotsindrindramanjaka, zanaka vavitokan-dRangita ary anabavin’Andriamanelo sy Andrianamboninolona ary Andriankotofananina dia natolotr’Andriamanelo ho vadin’Andrianamboninolona (izay) zafin-dRangitamanjakatrimovavy. Andriamananitany, zandrin’Andriamanelo nanjaka teo Alasora, no rainy. Zanaka lahiaivon-dRangita Andriamananitany. Randranomboahangy no reniny», hoy ny soratr’i Z.J. Andriamanantsiety.

Ambohitrombihavana, vohitra ilevenan’izany Andrianamboninolona izany io handrombinana tsy misy farany io. Tahaka ny efa nikikisana ranontany teny Ambohitrandriananahary, misy ny fasan’Andriamananitany, rain’Andrianamboninolona. Tahaka ilay lavaka goavambe etsy am-pototr’Ambohidroa, vohitry ny Antehiroka. Tahaka ilay «carrière» manolotra an’i Fiakarana ary manambana ny vohitr’Ambohitriniarivo misy ny fasan’Andriantsimandafika, zanak’Andriampirokana.

Tantara sisa. Fa inona intsony moa izay Tantara.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne