Voatabihan’Ampefy, koban’ny Talata-Volonondry, saosisin’Ambanitsena : toerana mifalavitra ihany ireo. Fa dia mahagaga mitovy fomba ratsy ireo mpivarotra azy.
Vao manontany ny vidin’ny iray amin’ireo, tsy mba ilay olona tompon’entana niresahana voalohany no hany ifanatrehana fa mirohotra manatona avokoa izay mpivarotra manodidina eo. Olona dimy mpivarotra voatabiha, olona folo mpivarotra koba, olona roapolo mpivarotra saosisy. Mifandrombaka miteny, mila hisintona mihitsy anao mpividy. Na dia efa nahazo voatabiha sy koba na saosisy aza ianao, mbola hisy hisisika ihany hoe «tsy mba hanome anay», «ento ho Ariary ny iray sobiky», «mba andramo», etsetra etsetra. Manorisory ilay fomba, hany ka na saika tena hividy aza, aleo mandeha.
Misy olona dia tsy mahay mifanaja, mba miandry tantana. Na efa eo am-pandanjana aza ny iray, eo am-pitetehana ilay vita ady varotra, eo am-perinasa ilay namany, tsy manakana azy hafa tsy hitsabaka, tsy hisalovana, tsy hanelingelina.
Voatabiha mifanila tanimboly, koba iray lasitra tsy misy misongadina, saosisy mifangala-tahaka : fa dia tsy maintsy ho vidiana angamba izany, raha ny eritreriny, ny haronkely itsy sy ny sobika atsy ; angonina tsy ho lany ny koban’ny ety sy ny an’ny ary; hanapahana noho ny hena-maso ny hani-masaka atolotry ny ato ankavia sy ny rafiny ato an-kavanana.
Raha samy hitandahatra hivarotra voanjo, mba misy kely tsy mampitovy ny voavaofy sy ny aman-kodiny. Dia aleo samy hanana ny hanitra ho azy. Aoka ny mpividy hanatona izay mahavantana azy fa tsy tomorina itomoeran’olona sesehena. Savoritadritaka, savorovoro. Manantena fitserana diso adiresy ka sao sendra teny maherihery ireo tonga tsy nantsoina.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja