«Ingahikama», James Cameron (1800-1875)

Teraka tamin’ny 6 janoary 1800 tany Little Dunkeld (Skotlanda) i James Cameron, ary tonga voalohany teto Antananarivo tamin’ny 6 septambra 1826. Nankinin’ireo namany Misionera LMS (London Missionary Society) taminy ny fanontana ny Baiboly ary vita printy teo Ambatonakanga ny bokin’ny Genesisy tamin’ny desambra 1827. Valo taona taty aoriana moa no vita dika manontolo tamin’ny teny gasy ny Baiboly. 

Havanana tamin’ny zavatra maro ity Misionera-mpanao taozavatra ity, ka izy no vy nahitana sy angady nananana, tena ara-bakiteny, ny Farihy Anosy, hantahantan-dRanavalona I (1828-1861). Ny rano notarihina avy etsy Anosimahavelona, amin’Ikopa, no namatsiana ny farihy, sady nampihodinana ilay milina fanovam-banja teo ambodin’Isoraka. «Anosy» kosa dia noravahana «Trano Kotona» telo natao ho fitsangatsanganan-dRanavalomanjaka. Araka ny fangatahan-Ranavalona II (1868-1882) indray kosa, dia mbola James Cameron no nandrakotra vato ny lapa Manjakamiadana. Natomboka ny taona 1869 ny asa ary tsy vita, amin’ny endrika ahafantarantsika azy mandrak’ankehitriny, raha tsy tamin’ny 1880. 

Fony Rasoherimanjaka (1863-1868) dia efa James Cameron no tompo-marika tamin’ny lapa Manampisoa natsangana tao Anatirova. Dia mbola izy ihany koa no nahitana ny Fiangonana Tranovato Ambatonakanga (1867) sy Ambohipotsy (1868). Fanontana printy, ankosobolamena, famolesana, fanaovan-tsavony, rafitra hazo, pai-bato : tsy ambakan’ny fahaizan’i Jean Laborde sy ny «Manuel Roret» ny zava-bitan’i James Cameron. Ny taona 1829 izy dia efa nampianatra ny fanaovana biriky-manta. Azo heverina ho nahita rirany tamin’ny mozika ihany koa izy raha ilay asa-soratra tamin’ny 1859 ahitana hira dimy ho an’ny valiha : «Original Malagasy Music (noted by Rakitonga» and copied by Cameron)», izay voaisa anatin’ilay «Bibliographie de Madagascar», nataon’i Guillaume Grandidier. 

«Trano Kotona» nakarina hisy rihana sady nasiana lavarangana manodidina ary notafoana tamin’ny taila hazo, no voapetaka anarana ho «Trano Sarendry», izay endrik’ilay Manjakamiadana hazo sy ny Tranovola. Samy mbola hazo manontolo ny Kotona sy ny Sarendry. Teraka indray kosa ny «Trano Sokera», ny taona 1864, araka ny sary nataon’i William Pool ho endrik’ilay trano teo Faravohitra, naorin’i James Cameron hipetrahan’i Joseph Pearse. Ny rindrina «Faham-bainga» no dingana nanaraka, nialoha ny fampiasana ny biriky masaka izay nampidirin’i James Cameron tamin’izy nanangana ny trano fitsaboana teo Analakely, niandraiketan’i Dokotera Davidson, ny taona 1865. Vetivety ny «Trano sokera» dia nozanahan’ny Ambaniandro ho «Trano Gasy», indrindra taorian’ny 17 jona 1868, andro nanafoanana ny fady manakana ny fampiasana vato sy biriky tanatin’ny hadivorin’Antananarivo. Niparitaka manerana an’Imerina ka hatrany Betsileo sy Antsihanaka ary ireo faritra hafa rehetra nankatoa ny Fanjakana nanana ny foibeny tao amin’ny Rovan’Antananarivo. 

Rehefa niamboho Ranavalona I dia niverina ny Vazaha izay niala teto tamin’ny 1835-1836. Isan’ireny i James Cameron izay niakatra fanindroany ny 7 septambra 1863, rehefa niala teto ny 18 jona 1835. Roapolo taona mahery kely raha atontaly no nipetrahan’i James Cameron teto Antananarivo. Nodimandry teto izy ny 3 oktobra 1875 ary milevina ao amin’ny tokotanim-pasana manolotra ny Tranovato Ambatonakanga. Fahavelony dia efa nomen’ny Malagasy anaram-bosotra feno fitiavana hoe «Ingahikama». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne