Tamin’ny taona 1933 ity diam-penin’Ny Avana Ramanantoanina ity. Teo Antsampanimahazo no nifanehatra ireto olona nataony tantara ireto. Aiza eto Antananarivo moa izany Antsampanimahazo izany ? Ilay eo am-pototry ny fidinambe avy any Ambatovinaky. Firy amintsika no mbola miteny hoe «Antsampanimahazo» fa tsy hoe «4 Chemins» na etsy «FJKM Ambatonakanga» ?
Mifanaja ery ny fiteny tamin’izany. Roambisivifolo taona lasa. Roambisivifolo : vao haingana aho nahita ferapara nilaza ny fahalasanan-draiamandreny voky taona tahaka izany. Fahiny elabe, rehefa feno valopolo taona dia nataon’ny olona hoe Vazimba.
Ao amin’ny Tantara Ny Andriana, Razanahary, zanak’Andriamanjavona sy Andriambavirano, dia milevina ao an-tampon’Ambohijanahary «tonga Vazimba ao» (TA, 13). Ny zanak’izy io, Rafaravavy, dia hoe teny Farihy, «ambany avaratr’i Merimanjaka» : isan’ireo toerana maro voatototra ranontany amin’iny lalovan’ny bypass iny...
Mahafinaritra hatrany ny mifanena amin’ny teny taloha, manao endrika hainteny, efa nariantsika ankehitriny. Tahaka ity hoe : «Izany no mananten-tsy ritra anaka. Aza mandoatra raha tsy manitra tsara ny vola». Ny «ranovola» io. Misotroa ary, aoka tsy ho kofona.
Zoman’Antananarivo. Vahoakan’Analakely. Faran’ny volana. Mirentirenty ny peta-drindrina. Vovoina ny vola ! Teatra, Konsertra, Kermesy ary...gazety vaovao ! Fa Antsampanimahazo aloha.
- Te-hahita anao indrindra aho, anaka.
- Ny ahoana izay, tompoko ?
- Iza indray io manao gazety vaovao io ? Ary inona io, sa ilay maty teo ihany indray no niova soratra ?
- Tsia, vao hiposaka io, tompoko ; ary efa mpanoratra tatsy sy taroa ny filohany
- Ah ! Fararanon-gazety izany izao ary fararanom-bola koa angamba fa ifandrombahanareo tanora !
- Eny, fararanon-gazety maty sy teraka, tompoko ; ary fararanom-bolan’ny mpanao printy !
- Nahoana no fararanom-bolan’ny mpanao printy ?
- Izy tsy manana gazety maty, tompoko, fa efa nahazo vola maty !
- Koa no ifandrombahanareo ihany ?
- Te-handroso, tompoko, saingy kely vatsy, ka miverina ilalana !
- Tsia, ny ataonareo ihany no tsy amatsian’ny olona anareo : bamba iray ny gazetinareo rehetra. Tsy mba mahay miavaka ho velon-tsoratra hafa izay vao hiposaka fa «mifangala-tahaka» fotsiny. Koa aleon’ny olona ihany ny mahazatra. Nefa raha te handroso, meteza ho zeziky ny hafa. Rehefa tsy hoy izy, vonoy ary manatevena ny efa velona.
- Mba te hanana ny an’ny tena anie, tompoko !
- Izany no «mananten-tsy ritra» anaka. Aza mandoatra raha tsy manitra tsara ny vola.
- Veloma anaka.
- Tahian’Andriamanitra, tompoko.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja