Nakatona ny “rond-point” Ankadimbahoaka izay mivily avy hatrany mandeha “route digue” mamonjy Anosizato. Atao mifandimby ny miditra sy mivoaka an’Antananarivo eo amin’ny tetezan’Anosizato, ka misy fiantraikany hatrany Ampita(n)tafika, Anosi(m)patrana, Anosibe. Indraindray koa, atao “double sens” Analamahitsy-Ambohitrarahaba ka raha avy any Avaradrano tsy maintsy mihodina lavitra vao tafody Andrononobe izay eo akaiky eo.
Ekena, mety hoe ezaka fandaminana, nisy fotoana. Saingy firy volana (sa efa aman-taona) aty aoriana, mba efa nisy fanadihadiana-manaraka, jery todika, ve ?
Manorisory tanteraka rehefa arabe natao handehanana no tapahina, tapenana, tsy azo aleha. Tena misy dikany ve ireo handrankandrana ireo ?
“Rond-point”, tokony tsy hisy sakana fa ny tsirairay no mandini-tena ary ny rehetra no mifanaja. Ekena tokoa fa raha izay fahaiza mitondra-tena izay aloha, tao anatin’ny telopolo farany dia niha-biby. Saingy fanakatonana arabe tokony hizorana malalaka ve no fanefitra amin’izany ?
Andro alahady, miakatra an’i Mahazo ho any Ambohimahitsy. Mitohana tsy hay hoe ahoana. Noho ny taxibe izay fiara fito amin’ny folo mitandahatra eto Antananarivo-Renivohitra ve, indrindra izy ireo mampiakatra sy mampidina olona isaky ny mandingana ? Noho ny “scooters”, na olon-tsotra na “taxi-moto”, inoako marimarina fa tsy nisy nianatra “Code de la route” ve ? Noho ny mpivarotra amoron-dalana (sy ireo mpividy aminy) mibahana ny ampahatelon’ny arabe ve ?
Tsy nahita polisy aho. Mba hiteny an’itsy, hananatra an’ito, handroaka an’iretsy. Tafavoaka velon’aina, mby eo amin’ny “rond-point” Ambohimahitsy : inona no ilàna polisy manao andrimaso eo ? Ary nahoana anefa no tsy misy “mpitandro fandaminana” eo amin’ny “rond-point” Ambohimangakely izay voabahana marain-tsy hariva ?
Amin’ny maha “littéraire” ahy angamba fa fatra-panaja aho raha vao hoe “ingénieur” no miresaka amiko. Polisy sy Zandary ve no manam-pahaizana indrindra handinika ny fifamoivoizana amin’ny toerana voatanisa etsy ambony, sy ny toerana hafa sanatria ho atao tahaka ireo raha tsy misy miteny. Sarotra dia sarotra mihitsy ve ny mampiara-miasa “ingénieur”, “urbaniste”, polisy, zandary, hikaon-doha miaraka hamaha ireo olana mampiakatra tosi-drà andavanandro ireo ?
Nasolo-Valiavo Andriamihaja