Patra-baventy mamonto ny tany

Aiza ary ity orana. Aleo mantsy petsapetsa lava toy izay karakaina mandava-taona. «Noana fahavaratra» satria «tany halan’orana», hoy ny hiran’i Dama/Mahaleo. Anontanio ry zareo any Atsimon’ny Nosy. Vola sesehena no natobaka tany, efa enimpolo taona izao, fa toa tsetsefin’ny fasika hatrany hatrany ny pitipiti-drano sy herikerika : «Nahoana kay» ? 

Betioky, Ampanihy, Tsihombe, Ambovombe, Amboasary... Arivo kilometatra hono no tontalin’ny lalana amin’ny Fivondronana Betioky sy Ampanihy : 364 km no azo aleha mandavataona fa ny 536 km saro-dalana rehefa Fahavaratra ary 95 km tena tsy azo aleha rehefa avy ny orana. Avy ihany izany ny orana : aiza ny dobo na farihy hanangonana ny rotsak’orana tsy ho very an-driaka fotsiny ? Sitrany ihany koa manamando ny rivotra, hiteraka rahona, hamonto ny tany, hanondraka ny ala. Mba tsy halan’orana intsony.

Ny andro tena «ratsy» dia rivotra mifofofofo sy vara-datsaka. Raha ny rivo-doza, fomban’ny Ranomasimbe Indiana misy an’i Madagasikara. Indraindray,  izay mety ho matetika atsy ho atsy, ny rivotra tondroi-molotra ho loza no hany sisa hanondraka ny zavaboary kilan’ny doro-tanety sy matin’ny tevy ala.

Mahonena loatra ny ony ritra sy ny riana karaobato sisa. Efa tamin’ny 1912 Rajonah Tselatra (1863-1931) no nanoratra izao : «Ny lanitra madio tsy misy rahona tsy hahazoana orana indray mitete. Avelao ihany hisamboaravoara ho tezitra ny rahona, fa amin’izay no hahalatsahan’ny soa nofihininy. Ny ranonorona dia mahasoa avokoa : fa raha kely, mananatra ny olona hamboly hazo ; raha antonony, maro ny olona tsy ho mosarena ; raha be loatra, manaitra ny olona hamboatra ny fefiny». 

Ny doro-tanety no fahavalo mandripaka ny manan’aina tanisain’Ny Avana Ramanantoanina (1891-1940) : «hazo madinika sy alam-boaroy, fialokalofan’ny andian-tsipoy ; alan-jojoro singanin’ny herana, arosy mandalo, tsiriry miserana». Soa samy resy lahatra fa «ny patra-baventy mamonto ny tany» ary la sa fanantenana sy hataka «ny ora mijojo manao torirahona, ka toa tsy hisava fa mandra-maraina».

Satry ho tafandry mandry amin’ny tenin-dRabearivelo (1901-1937) : «Mijononoka moramora ny orana avy hariva / Ny alina madiva / Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany». Saingy, isan’andro lava izao, toa tsara mifoha, mitsetra ity tany halan’orana. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne