Izaho maka ny «Vita Sinoa»

Lasa ihany ny saina mahita ny fampilazana asa fanamboarana eto Antananarivo-Renivohitra. Fantatra, ary voasoratra mazava, ny andro sy ora hanombohana ny asa. Ankamantatra kosa ny fotoana mety hahavitany. 

Kely loatra ho an’ny orinasa sinoa goavana tahaka ny China State Construction and Engineering, China Railway Group, China Railway Construction Corporation, China Communications Construction Company, raha izay fanamboarana madinika Ampasika, «route circulaire», Ambatoroka. 

Saingy misy orinasa sinoa hafa, kelikely kokoa, inoana fa manana ny trai-kefa sy mitovy fomba fiasa amin’iretsy vaventy voatanisa etsy ambony. Manahirana andavanandro mantsy ny miandry ny fahataran’ny asa. Mampiteny ny moana ny faha-kitoatoan’ny fanamboarana zara fa vita. 

Telopolo taona nipetrahana teny Soanierana aho fa tsy nihetsika mihitsy ny «pavés» vita nanara-penitra tamin’ny andron’ny Vazaha. Ny «pavés» rehetra teto Antananarivo, tamin’izany, tsy mba nososohana «béton» tahaka ny ankehitriny, indrindra «béton armé» mahihitra «ciment» hany ka mivoaka tahaka ny mitsangam-bolo ny «fer rond» faran’izay manify indrindra teny an-tsena. Ohatra amin’izany, ny lalana midina avy eny Ampasampito ka mihazo ny hôpitaly Soavinandriana. Jereo ihany koa ilay lalana etsy Laniera mivoaka eny Antsofinondry. Na ny «pavés» mikorontan-dava etsy Ampasandratsarahoby. Taona 2024, manao gorodom-bato aza tsy hain’ny BTP gasy intsony. Taona 2024, ampahan-dalana tsy misy iray kilometatra, herinandro mahery mikenonkenona ny BTP gasy mbola tsy mahavita ihany. 

Noho ny fahantran’ny Malagasy dia entana tsy zarizary mora simba no «Made in China» mitobaka eto Madagasikara. Fa ny Sinoa anie ka efa nandefa «Taïkonaute» any amin’ny habakabaka. Ny fiaramanidina sinoa, Comac, efa hifaninana amin’ny Boeing sy Airbus. Ny fiarakodia sinoa, ireo efa hitantsika tsy mifankaiza intsony amin’ny fiara tandrefana : Tesla, orinasa amerikana, sy BYD, orinasa sinoa, aza izao no miady ho voalohany maneran-tany amin’ny fiarakodia fahanana herinaratra. 

Ny «Great Wall», «Grande Muraille», tambohobe mahatratra 20.000 kilometatra, no hany asa-tanan’olombelona tazana avy eny amin’ny volana. Tsangambaton’ny Sinoa natomboka ny taona 220 talohan’i Kristy ka notohizana hatramin’ny taona 1368-1644. Ankehitriny, ilay tonelina Gaoligongshan, vita tamin’ny 2022, no tonelin-dalamby lava indrindra any Asia, satria mahatratra 35 kilometatra manavatsava tendrombohitra vato. Tamin’ny febroary 2020, tao anatin’ny Covid indrindra, folo andro dia tafatsangan’ny Sinoa ilay hôpitaly «Huoshenshan», nahitana fandriana arivo ho an’ny marary. Mbola haingana noho izany, tany Changsha, adin’ny 28 ora sy 45 minitra fotsiny no nahavitan’ny orinasa sinoa trano misy rihana folo. 

Haingana anefa miezinezina sady maharitra. Mbola ny Sinoa ihany no nahavita ny tetezana an-dranomasina lava indrindra manerana izao tontolo izao. «HZMB» (mampitohy an’i Hong Kong sy Zhuhai ary Macao) no anarany, ary mirefy 55 kilometatra. Raha BTP sinoa, azo heverina ny hisian’ny tetezana mampitohy an’i Sainte-Marie na Nosy-Be amin’ny tanibe-Madagasikara, mba tsy hisy sambo milentika an-dranomasina intsony.  

Lalana, tetezana, lalamby, seranan-tsambo, seranam-piaramanidina : «Made in China» hita fanombohana, ary tsy ho ankamantatra ny andro fitokanana ny zava-bita. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne