Taratasin’ny mpamaky

Ny tenintsika malagasy dia mifono fahendrena, ahafahantsika mivoatra sy miara-misandratra. Ny teny hoe TERATANY dia mifono teny anankiroa: teraka eo amin’ny tany. Rariny, marina, mety sady tsara, raha tia sy mazoto manatanteraka zavatra manasoa ny tany niaviana isika.

Rehefa asiantsika bikany ny dikan’ny andininy faharoa amin’ny hiram-pirenentsika milaza hoe “irinay ny hanompoana anao” dia vonona hanolo-tena isika mba hanatsara sy hanasoa ny toerana nipoirana sy iainana na misy ny razantsika, ho an’ireo teratany izay monina any ampitan-dranomasina. 

“Ny tena sy fo, fanahy ananay dia sarobidy sy mendrika tokoa”. Isika no mila mifoha amin’ny maha sarobidy ny fisian’ny tsirairay na inona na inona sarangany. Matoa misy dia ilaina. Mifampahery isika satria misy mazava azo ampitomboana ao anatin’izay rehetra vonona ho vanona. Ny teny “EHI” ao anatin’ny teny LEHILAHY sy VEHIVAVY, dia avy amin’ny teny hebreo EHR midika fahazavana ao anaty hita ety ivelany. Ilay hanitra maha-izy ny tsirairay io EHI io. Samy manana ny lehilahy sy ny vehivavy. Samy sarobidy sy mendrika. Samy manana fanomezam-pahasoavana, hamelomana ny tena sy hamelomana ny hafa.  Ny talentantsika, izay manavanana, mahakinga sy tsara indrindra ao anatintsika tsirairay avy izany dia entintsika manasoa ny tanintsika. Amin’ny fomba kanto, tsara, sarobidy sy mendrika no anaovana izany.

Iainantsika koa ka asiantsika bikany ny dikan’ny andininy fahatelo amin’ny hiram-pirenena malagasy: “Ilay Mpahary izao tontolo izao no fototra ijoroan’ny satanay” izany hoe ny soatoavinay, izay midika fa amin’ny fomba soa no hanatanterahana ny vina, ny fanirina sy ny tanjona. Fitiavana Ilay Mpahary. Rehefa mihary isika dia atao am-pitiavana ny asa. Izay tiana dia mahaliana, kaliana, iangaliana am-pifaliana. Izay ilay asa atao an-kira. Ny kalo ao anaty dia mikolo ny fanahy, fo sy saina mba hikaly izay rehetra ataon’ny ratsam-batana. Ny taova rehetra ao anaty vatana dia samihafa fa samy miara-mamelona avokoa, samy manasoa ny vatana. Ny mpiray tanindrazana dia tahaka ny vatana iray. Ny tao-trano tsy efan’ny irery. Rehefa miray vina kosa sy miray hina dia vita ny vina. Natao ho tonga nofo ny nofy, izay antenaina dia lazaina sady efaina. Marina sy masina Ilay Mpahary. Afaka samy miala amin’ny ratsy fanaony dia ho sitrana ny tany ka afaka misitraka ny vokatra tsara ilofosan’ny tsirairay.

Azontsika rehetra iainana izany rehefa volena mba ho velona ao anaty ka mitoetra dia lasa toetra. Ny fomba fisainana no fomba fiainana.  Ndao, isika zoky ray aman-dreny, no tarafina sy tahafin’ireo zandry sy zanantsika amin’izany hoe maha olom-pirenena. Iainana isambatanolona, isan-tokantrano, isaky ny fianarana, fikambanana na orinasa: izany hoe TERATANY MANATANTERAKA ZAVATRA MANASOA NY TANY. Miadana sy finaritra no vokatra ka sambatra. Azo atao amin’ny vanim-potoana rehetra izany. 

Par Hanta Ramakavelo

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne