Ny mpisoloky amin’ny zavatra somary bitsihina hoe «tsiambaratelo» dia mody masimasin’endrika ivelany : manao sola loha na manao somotra matevina, dia manao akanjo mirebareba, na mody mitafy lamba ntaolo, dia tsara raha tsy mikiraro satria «miresaka» amin’ny «herin’ny tany», «angovo miafina».
Dia mamoromporona izao fadifady rehetra izao. Ny kisoa sy ny tongolo moa no matetika tondroi-molotra amin’izany. Sakafo roa samy matsiro. Mba tena hampadio ny tena, satria hitafa amin’ny «masina», dia aleo fadiana ihany koa ny toaka.
Vatokely, tapa-kazo, ravin-javatra, fatim-borodamba, kofehy afatopatotra, tsy fantatra na atao hampatahotra na mba hampidy «mistery» azy. Mainka moa fonomponosina somary mena manopy jaky dia tena fatratra indrindra satria mampatsiahy ireo fahita eny amin’ny doany.
Marihiko fa tsy teny merina ny doany. «Toerana misy ny fasa-mpanjaka sakalava izay ivavahana angataha-pitahiana» hoy Rejemisa-Raolison ao amin’ny Rakibolana (taona 1984). «Teny sakalava sy tsimihety, toeram-boahasina fanaovam-pivavahana sy sorona» hoy ny Firaketana (volana aogositra, taona 1947). Samy tsy mahalala azy na ny «Dictionnaire Malgache-Français» nangonin’i Abinal sy Malzac (taona 1888) na ny «New Malagasy-English Dictionary» navoakan’i Richardson (taona 1885). Ny «Tantara Ny Andriana», lovantsofina noraiketin’i Mompera Callet teo anelanelan’ny taona 1864 sy 1883, dia tsy miresaka azy.
Fa raha mpiandry doany, na manao endrika mpiandry doany, no mibitsibitsika hoe «manana na mahay mamorona ranomasom-bato, na mercure», dia tokony hino kokoa. Miresaka amin’ny tsy hita maso anie izy, mahafantatra ny zava-miafina, ka «mercurochrome» na «ketchup» ve tsy hainy ho avadika tena «mercure».
Arivo tapitrisa taona lasa tany i Madagasikara no nisaraka tamin’ny Afrika atsy andrefana sy India tato atsinanana. Samy tsy ahitana «ranomasom-bato» ireo faritra roa ireo. Noho izany, lafiny ara-geolojika, tsy mahagaga raha tsy ahitana «ranomason-tany» eto Madagasikara. Na ireo faritra nisy afotroa (volkano) fahagola aza, tsy mitomany izany ranomaso sarobidy saingy manimba tontolo iainana izany. Mba hitsaharan’ity fisolokiana ity, ankoatra ny fanamborana sy fanasaziana ireo mpamosavy sain’olona amin’izany, tsara raha omen-teny ny OMNIS (Office des Mines Nationales et des Industries Stratégiques) sy ireo (tena) manam-pahaizana amin’ny «géologie».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja