Inona tokoa no tsara kokoa, tanindrazana taningazana jerem-potsiny sy atao doro-tanety sa tany voavoly ho fidiram-bola ary mampitombo ny harin-karem-pirenena ?
Isika Malagasy mantsy dia mailaka loatra manao biby ho fampitahorana ny hoe «lasan’ny Vahiny», «vidian’ny Vazaha», «bodoin’ny Karana», etsetra. Misy fepetra ny fanofàna ny tany, ka anjarantsika no mametraka dieny amboalohany ny didy aman-dalàna ilaina ho mandan’ny tanindrazana mba tsy hilazana, afaka 99 taona, fa «mpivarotra tanindrazana».
Heverina sy dinihina amin’ny fo tony ny tsara sy ny ratsy, alaina ambony alaina ambany, fa tsy toraky ny fo mafana, ka ho vazavaza sy ompa na ozona. Aiza no misy velaran-tany midadasika anefa dia bozaka aman’ahitra fotsiny no eo amboniny ? Misy ve kolontsaina na fomba tandrovina, ka azo hifampiraharahana ihany sa tsia? Inona no tombontsoa ho azon’ny olona manodidina sy ny firenena manontolo ?
Tsy mifamola-pady. Saingy ny fomba tsy maintsy mivoatra araka ny toetr’andro mba tsy ho sakana fahatany. Lalana nizoran’ny firenena rehetra izany. Na isika ihany koa aza, tsy dia hoe ny fomba rehetra tamin’ny andron’ny Ntaolo no mbola iainantsika ankehitriny. Io fanantontoloana io dia efa mampifandray tendro be ihany ny karazam-pomba amam-panao manerana izao tontolo izao. Marina tokoa fa ny firenena matanjaka dia afaka manapariaka ny azy, hamabo ny fon’ny tany hafa. Tsy vahaolana ho antsika firenena mbola mindrana etsy misambotra eroa no mihidy antrano, mitampi-maso, mamono sofina, mifikitra amin’ny taonjato efa navalon’ny taona. Tsy hiverina intsony ireny, ary isika tsy ho Dadabentsika intsony.
«Miorim-paka hanasoa olona», hoy ny teny filamatra nitaizana anay tany amin’ny Kolejy. Raisina izay tsaran’ny hafa, fa tazonina mafy kosa ny soan’ny tena. Rehefa mafy orina amin’ny kolontsaintsika isika, sahy misedra ny iraisam-pirenena. Io izany no dingana voalohany, fehizoro tsy maintsy alatsaka. Ary alatsaka antsain’ny zaza Malagasy tsirairay, dieny an-tsekoly ary eny anivon’ny fiaraha-monina. Ry Malagasy, fantaro tsara, iza ianao. Io no tena atao maha-saropiaro. Ny ambiny, hiadiam-barotra, takalo takalo.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja