Mari-pana ankehitriny sy tamin’ny 74 taona lasa : 24 ka hatramin’ny 31 jolay 2024 : ambony indrindra 25°C - ambany indrindra 7°C (meteoart.com) ; 24 ka hatramin’ny 31 jolay 1950 : 23°C - 6°C (Bulletin de Madagascar, n°15, 16 août 1950).
Ohatran’ny hoe tsy mifankaiza anefa tsapako ho mafana kokoa noho ny tamin’ny taon-dasa, ankatoky ny volana aogositra. Sa hoe «ririnin-dasa tsy tsaroana» ?
Ireo moka efa marobe ao an-davarangana an-damosin’ny trano, ny namany sasany manomboka manadala anaty torimaso amin’ny alina : tapitra sahady ve ny ririnina, anefa mbola rahoviana vao ho 23 septambra, andron’ny «équinoxe» ?
Ny alina sy ny maraina no mbola manaikitra ny hatsiaka mamirifiry, arak’iretsy mari-pana etsy ambony iretsy. Fa amin’ny antoandro, migaingaina, efa ambaran’ny zavona matevina vao maraina. Tsy mena mivadika tokoa, tahaka ny andro ririnina.
Tamin’ireny faramparan’ny volana jona ireny, tao anatin’ny vonto ririnina indrindra, dia lasa ny saina hoe ahoana tokoa no nataon’ny Ntaolo. Mijery irony Trano Kotona sangian’ny rivotra manara ery an-tampon’Analamanga, angamba namindro afo mandra-maraina ry zareo.
Raha varongitsimivitrana ny varavarana sy ny varavarankely, ny rindrina tsy maintsy kotona mifanizina. Eny anelanelany, mba handraràna ny rivotra tsy hiditra, dia nosisihina silaka vatan’akondro, na hazo malemy mitovy karazana aminy. Ny tafo, tsimina entin’ny varivary volotsangana, dia nifanety tsara mba tsy ho tanteraky ny orana sady tsy ho sovohan’ny rivotra.
Copalle, raha niresaka momba ireo trano kotona tany Ambohibeloma, amin’ny faritra atsinanan’Imerina, dia milaza fa voalalotra karazana sokay (angamba lavenona) miharo tain’omby ny rindrina anatiny.
Mahita ireny tambanivohitra tsy miala amin’ny bodofotsy ireny dia lasa saina ihany koa. Ahoana ny fitafin’ny Ntaolo rehefa ririnina? Ampy ve ny hasy sy ny landy ? Angamba ny olona taloha natevin-koditra noho isika mora andairan’aretina ankehitriny.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja