Efa nanary bodofotsy, no indro miverina manampy akanjo bà.
Ankoatra ilay fodilahimena tokana tazako folo andro lasa, dia efa indreo tafaverim-bolo tokoa ry zareo. Miova ho azy sa nakorontantsika olombelona ny toetrandro ? Sao tsy manaraka ny kalendrie, izay mbola famaritan’olombelona, no fahendrena fa mijery ny zavaboary ?
Atsy, mitsimoka ny laingom-boasary. Ny raviny maitso tanora, mateza jerena ery. Ny fody tsara fahana etsy ambaravarankely sy ny hazo tsara tondraka etsy andavarangana ve no tsy mahalala volon’andro ririnina ? Ny tany atsy alatrano tokoa mantsy toa mbola karakaina, ny bozaka ringidringitra, ny ravinkazo nihintsana mandrakotra ny tokotany. Tsy mba rivo-dohataona izao mifofofofo avy any atsinanana izao, sady arahin’erika mamanala rahateo.
Jona ka hatramin’ny aogositra, hono ny ririnina, hoy Rajemisa-Raolison, zanak’antitra teraka taona 1913. Roatokom-bolana lasa, faran’ny jolay indrindra, anefa aho no efa nanoratra hoe «Ririnina efa ho lasa».
Laingo, tsimoka, vony, fanja, felana, vololona : ireny no fambara arahi-maso. Dia ny fodilahimena tafaverina sy ny moka nisitrika indray. Tsy voafaritra anaty kalendrie sy ny volana roambinifolo izany, ka raha ny Ntaolo izao dia nahay namaky izay soratan’ny zavaboary.
Mbola afaka iray volana amin’ity kalendrien’olombelona ity ny «équinoxe de printemps» (andro fitovian’ny andro sy ny alina, hoy ny «Vocabulaire français-malgache» nosoratan’i Victorin Malzac s.j., 1900), aty amin’ny bolan-tany atsimo misy an’i Madagasikara. Mbola araky lahatsoratro iray taloha ihany hoe «Fa inona moa ny «équinoxe» ho an’ny Ntaolo. Nahazo an-tsaina ny «ekoatora» sy ny «trôpika» ve izy. Ny taom-pamafazana sy ny taom-pijinjana ny vokatra no namaritra bebe sady akaiky kokoa ny andavanandrony mandavantaona. Na tsy nisy boky aza, fiainana tsotra fotsiny, manaraka ny dian’ny masoandro, mahita ny fahavakisan’ny ambiaty. Ary, angamba, ny fiovam-bolon’ny fodilahimena».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja