Natao ihany ny hoe tsy hiteny

Vita moa iny ny fifidianana ireo handrafitra ny Antenimieram-pirenena. Asa, afaka firy herinandro vao ho azo ny voka-pifidianana. Tamin’ny fotoana mbola ny Ministeran’ny Ati-tany mivantana no nikarakara ny fifidianana, fara-faharatsiny ny eto Antananarivo-Renivohitra feno ny vokatra hatramin’ny sasak’alina, ka afaka avoaka an-gazety ny ampitso maraina ihany. Inona moa izany no tena tombony nametrahana ny CENI (rafitra fametraky ny mpamatsy vola iraisam-pirenena amin’ny firenena mbola mibadabada ny demokrasia) : tsy haingana kokoa ny famoahana ny voka-pifidianana ; tsy foana velively ny ahiahy manodidina ny fifidianana (aloha, mandritra, aoriana).

Mandalo ny sisan’afisy aho dia mba gaga ihany. Fanampin’anarana avokoa no avoitra satria hoe angamba lava loatra ny anarana gasy ? Andriantsimitoviaminandriandriana anie ka efa telonjato taona lasa, fa na dia izany aza, voatery hametraka anaram-bosotra “Fifih” kosa ve ? Manaja sa tsia ny Antenimiera ve izany…

Mahavantana ratsy ny Gasy ilay fampiasana fanampin’anarana. Taloha tokoa mantsy, tsy mba hoe Andriamihaja avy hatrany ny zanak’Andriamihaja. Na firy na firy ireo iray tam-po, dia samy nomena anarana manokana. Isan’ny manahirana mihitsy amin’ny fikarohana tetiarana. 

Raha tsy misy soratra ara-panjakana, lovantsofina firy moa no haminany fa Razafimandimby ihany no Rainizanamalala.

Hitako ho tsy manaja loatra ny Repoblika, eny fa na ny vahoaka aza, ireto afisy ireto. Tsy mahatokan-tena hatramin’ny firy taona any aoriana any moa izany ireto ankizy nobeazina no mbola misaringotra amin’ny lazan’ny #Boss sy #Padrino.

Raha izaho no kandidà hiseho vahoaka, tsy ho tiako mihitsy ny hiloloha sarin’olon-kafa. Halako ny hiravaka lokon’antoko tsy ahy. Indrindra indrindra moa fa handrorona anarana tsy zaka. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne