Mpanolo-tsaina mpihevi-panjakana

Mpandaha-teny nikoizana izany Rafiara sy Rahagamainty izany. Rafiara, hono, mpitsikera natahorana : «Tsara izay, fa izay handravan-dRafiara azy no asa» ; Hagamainty, kosa, mahita hevitra tsy mby an-tsain’ny hafa :  «Tsara izay, fa izay tsaratsara kokoa mbola ho hitan’i Hagamainty no asa». 

Antenimieran’ny mpihevi-panjakana manana olona tahaka izany no nahatsara laza ny Andriamanjaka tahaka an-dry Andrianampoinimerina, ka naharaikitra azy an-Tantara. Na inona mantsy na inona fahendreny, ny hevitra tsy azo raha tsy amin’olombelona. Mainka fa mpanolo-tsaina tsy mianina fotsiny mipasoka ny efa malama. 

Mitondra an-kady raha tsy manana mpanolo-tsaina hifandresen-dahatra ny Mpitondra satria voky « Eny Tompoko ». Ny teny an-dapa tsy mba mahadiso ka tokony tsy hisalasala hanoha riana amin’ny «saingy» sy ny «fa» ary ny «nefa». Ny tokony ho atahorana dia ny manoro vohana, mamosavy Fanjakana. 

Inona moa ilay hoe «ny teny an-dapa tsy mahadiso» ? Izay adi-hevitra ataon’ny mpihevi-panjakana, ao anatin’ny lapam-panjakana, indrindra ka manoloana ny Mpanjaka, dia tsy heloka na dia fanakianana mavaivay aza. Fomba fiteny sady fomba fanao fahiny, tamin’ny faha-Andriamanjaka, anefa azon’ny Repoblika atao lova araka ny hoe «ny Razantsika hendry». 

Fomba fiteny narahin’ny ohabolana tahaka ny hoe : «Ataovy anatra imaso ifanatrehana, fa raha takona tonga fosa» ; «Ny volana imaso tsy mba kilema» ; «Aza be henatra imaso, fa be fosa ivoho».

Rehefa mamaky ny boky tahaka «Ny Tantara Ny Andriana» dia isan’ny tsiny nitarika fanonganana ny hoe «tsy hita anarina, tsy hay atoro». Karazana mpihevi-panjakana tahaka an-dRafiara sy Hagamainty no mananatra sy manoro. «Taiza» mantsy ny Andriana fa tsy andriamanitra, ary fanompoana ny Fanjakana. Raharaha rehefa lolohavina sy lelafim-paladia ny Mpitondra ka lasa «miantsambotsambotra toy ny vary kely an-daona». 

Izay ny andaniny, mpihevi-panjakana sy mpanolo-tsaina. Etsy ankilany, tokony hanana fanetren-tena ny Mpitondra sao voan’ny tondro-molotra : «Natao sanga ka nanakona ; natao tandroka ka nanoto». Mety hoe «Akaiky mahatahotra, lavitra mahamanina», saingy raha sady ombalahy no mbola masiaka, dia atao arahaba mamba sisa. Tsy mba fitia anefa izany fa tahotra. Ary efa tsy lavitra ny tsontsori-mamba hisarahana, ka hitodika ivoho ireo mpanolo-tsaina sady hihataka ireo mpihevi-panjakana. 

Farany, na ho an’ny andaniny na ho an’ny ankilany dia mbola ny fahendren-drazana hatrany : «Andriamatoa mihanta ny ditra, Faralahy mandatsa ny nenina».

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne