Ilay lalàna Dimiventisitelonjato tamin’ny 1881

Ankatoky ny fankalazana ny niverenan’ny Fahaleovantena dia tsara raha mihady levenambola mba tsy ho poakaty ny hambompo miatrika ny 26 jona. Fa efa nisy tokoa ny Tantara talohan’ny 26 jona 1960. Efa nisy tokoa ny firenena talohan’ny 6 aogositra 1896 sy ny 1 oktobra 1895. Eny, efa nisy Fanjakana teto talohan’ireo jeneraly vazaha, Duchesne sy Gallieni.  

«Didimpanjakana tamy n’Andrianampoinimerina sy Lahidama ka tsy ovako hoy Ranavalomanjaka», tamin’ny 17 adijady 1828. Nanaraka avy eo ny Lalàna tamin-dRasoherimanjaka (26 adaoro 1863). Ny «Lalàna 101» (18 alakarabo 1868) no nisantaran-Ranavalona II ireo Didy maro tamin’ny androny : «Didy nomen-dRanavalomanjaka ho an’ny Sakaizambohitra (1878), «Ny Didy hotanan’ny Governora eto Imerina» (1889). Fa ny tsangambato goavana indrindra dia ny «DIMIVENTISITELONJATO», tamin’ny 29 marsa 1881, izay nanana andininy niisa 305, araka ny anarany sy ny fomba fanonona isa (venty) tamin’izany. 

Kabary miezinezina teo amin’ny kianjan’Andohalo no namoahan-dRanavalona II ny lalàna «Dimiventisitelonjato», nialohavan’ny fampahafantarana ireo Ministera sy «Ny Mpanao Raharaham-panjakana» isan-tokony. Ny Ati-tany, Ny Amy ny Vahiny, Ny Amy ny Miaramila,  Ny Mpitsara, Ny Lalana, Ny Fanaovan-taozavatra, Ny Amy ny Volam-panjakana, Ny Amy ny Sekoly : io no Governemanta malagasy voalohany nanaraka ny firafitra «moderne». 

Tamin’izany ny olona dia notakiana «Vidin-doha» sy «Tovotr’Andriana» raha tsy nanaja ny fiandrianan’ny Mpanjaka. Tsy mba nanonta vola ny Fanjakana malagasy fa nampiasa ny vola vahiny maro tafiditra teto ary nomeny anarana araka izay sary aminy : ngita, tanamasoandro, tsanganolona, tokazo, malamakely, behatoka, tombotsisina (andininy faha-160). Tamin’izany ny volatsivaky, fanatitra ho Hasina, no narendrika nanefena ny lakambola hanafenana ny Andriamanjaka niamboho. 

Ny andininy faha-59 sy faha-61 ary faha-62, nametraka ny Andrianteloray, andaniny, ary ny Zanadralambo amin’Andrianjaka, ankilany : «Andrianteloray dia tsy mahazo mifanambady raha tsy samy izy iray foko» ; «Ny Zanadralambo amin’Andrianjaka tsy mahazo manambady foko hafa afa-tsy izy iray foko hiany» ; «Raha misy Andrianteloray nanambady Zanadralambo amin’Andrianjaka, na Zanadralambo amin’Andrianjaka nanambady Andrianteloray, talohan’izao Didy izao, dia tsy azo arahina sy tsy azo atosika».  

Ny andininy faha-74 mandrara ny vata famarana tsy mitovy amin’ny «Menalefona», izay vata famaran’ny Fanjakana. Efa asa ratsy hatramin’izany andro izany ny vata roa, «famoahana sy fampidirana», ny «mizana mandainga», ny «vato tsy marina». Ny andininy faha-80 dia milaza ankolaka fa efa vita rafitra vato Manjakamiadana : «Ny famataranandro izay eken’ny Fanjakana ho fotoana, dia araka ny famataranandro ao Manjakamiadana». 

Ny andininy 101 ka hatramin’ny 106 dia miaro ny ala : mandrara ny fandorana ny ala, mandrara ny fijinjana ny hazo vaventy ho atao arina, mandrara ny fanaovan-trano honenana anaty ala, mandrara ny tevy ala hambolena vary na katsaka na voly hafa. 

Ahitana ny fomba fanoratra ny teny malagasy tamin’izany. Mirakitra ihany koa fomba efa very tadidy : «mitsoa-bato sy orim-bato ary ambadikinimanareza», «menakely sy vodivona», «lohombintany sy ko-drazana», «ny tolo-bohitra sy ny andohariana», ny «harena nomem-bazo» very ho «haren-danim-bazo», ny «fanambadiana entin-doloha», ny «tongoamihonkon-drazana, dia ny isam-pangady sy ny haren’ny mati-momba sy ny vodihena»...

Ny andininy mamehy ny fahendrena tamin’izany dia ny faha-263 : «Ny Lalàna sy ny Fomban-tany izay fanao hatramy ny ela, ary mbola arahina mandrak’ankehitriny, na dia tsy voasoratra amin’ity Lalàna ity aza, dia mbola Lalàna velona izany sy Fomba arahina». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne