Anarana tanim-boanjo

Fandaminana any Andafy ny fametrahana anarana isaky ny lalana. Manamora tokoa aloha ny fifaneraserana moderna, na dia tsy hiresaka afa-tsy ny fanaterana taratasy isan-tokantrano aza. Hafa mantsy ny hoe «120, Lalana Rainandriamampandry» sy ny hoe «près III XYZ 69 bis» : iaraha-mahita avy hatrany fa peta-toko ity faharoa.

Ny an’ny Malagasy, tondroiny amin’ny zava-misy na ny lazany na ny toetrany ny toerana : Antani-narenina, Avaratr’Anjoma, Fara-vohitra, Am-pandrana, An-tsakaviro, Be-tongolo, Be-horirika, An-korondrano, Ampasan’Imalo, Ampasan’Isadoda, Ampasam-pito, Ankadi-tapaka, Ankadi-lanana, Ankadin-andriana... Ambodini-mangasoavina, Be-sarety, Be-horirika, Avaratr’Antanimora, Mahamasina-atsimo, Andrefan’Ambohijanahary...

Tany amin’ny telopolo taona lasa tany ho any, rehefa nandray taxi, mbola nahavita nanondro hoe «Rue Gallieni haute», saingy ankehitriny tsy misy firy intsony angamba ny taxi mahalala akory hoe «Lalana Rainandriamampandry» ihany anie izany. Isan’ny tena mahasarotra ny fahazoana «licence» hitondra taxi ao Londres, Renivohitr’Angletera, ny fahaizana tsianjery ny anaran’ny lalana rehetra, efa ho an’arivony. Eto amintsika, akory ny hagagako raha tsy mahita ny Paositra Antaninarenina akory ilay mpamily iray izay : mpitondra taxi-be hono izy, andavanandro, ka tsy lalany mihitsy eny...

Tao aorian’ny «tolona» 1972-1975, dia nogasiana ihany koa ny anaran-dalana teto Antananarivo. Toa teto Antananarivo ihany satria any «Fort-Dauphin», mbola misy lalana misalotra any anaran-dry Joffre, Lyautey, Clémenceau. Any «Diégo-Suarez», mbola malaza ry Sylvain Roux, Le Myre de Vilers, François de Mahy. Tahaka an’i De Lattre de Tassigny ao Toamasina, na i Gallieni any Mahajanga...

Fotoana nampalaza ny «Tolom-piavotana» sy ny «Tolom-panafahana» isan-karazany moa tany amin’ny dimampolo taona lasa, ka somary mampihomehy ihany satria raha notsoahina ny anaran’ireo jeneraly frantsay (Voyron, Duchesne) dia nosoloina anarana «revôlisionera» tsy fantatry ny mponin’Antananarivo (Lumumba, Agostinho Neto, Eboue, Lamyne Gueye...). Ny anarana sasany voatazona, tsy fantatra na noho ny naha «kamarady» azy (Jean Jaurès) na noho ny tsy fahaizana Tantara (Benyowski). Mampanontany tena ihany koa ny anaran’olona avy amin’ny Foko hafa, indrindra ireo niady tamin’ny Merina, ary rehefa iaraha-mahalala ny «fady» maro hanilihina ny Ambaniandro any Anindrana. 

Andrianjaka, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina, Radama, Ranavalona, Rasoherina : ireo Mpanjaka merina nanorina an’Antananarivo, mahagaga tsy mba eny amin’ny Vohitra-ambony, manolotra ny Rovan’Antananarivo izay misy ny fasany rahateo, no misy ny anarany, fa any Analakely sy Tsaralalàna na Ambodin’Isotry. Faritra iva tsy nalehan’ny lohany hanorenana tanàna satria tanimbary sy heniheny ary fota-mandry miandry hifoha fahavaratra. 

Tsy hoe «fanagasiana» dia fanagasiana fahatany ihany koa. Mety ho anaram-bazaha, saingy nahavita be ho antsika. Ohatra : Callet nanangona ny Tantara Ny Andriana ; Johnson, Abinal, Malzac : nametraka «diksiônary» ; James Cameron, tompo-marika amin’ny Fiangonana tranovato maro eto an-dRenivohitra. Mila fandinihina matotra, ara-Tantara sy ny zava-bita ary ny soa-navela, ny fametrahana na famindrana anaran-dalana. Tsy eto Antananarivo ihany. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne