Kalendrie Fodilahimena

Misy amontana, bonsai anefa tsy bonsai, maniry anaty nongotapaka ao an-davarangana. Efa roapolo taona izy no tamana ao. Isaky ny manondraka azy aho, sady talanjona velon-tsiky mijery ny hakanton’ny raviny mitapelaka lehibe kokoa noho ny an’ny aviavy, dia miteny irery hoe «Manao ahoana, Ingahindriana». Fa mahay manavaka ny resaka tsara atao aminy hono ny zavamaniry.

Nisy fotoana ihany koa, rehefa nivoaka eo an-davarangana isa-maraina, tetsy Ankadilanana (fa tsy Ankadilalana satria «hadilanana = toerana iva kokoa sady tery, anelanela’ny havoana roa», hoy ny Rakibolana), ka mitraka manopy maso amin’ny Rovan’Antananarivo, dia tsy maintsy sendra ny lapa Manjakamiadana : «Tsarava Tompoko», hoy aho anakampo.

Androany aho, herinandro aorian’ny Paska, mbola nahatazana fodilahimena tena midorehitra. Mpitafy jaky telolahy izy no milahatra, mitsindroka tsy mifandrombaka, ny fotsimbary afafiko isa-maraina. «Manakory Ingahikely ô», hoy indray aho mibitsika malia mba tsy hampandositra azy.  

Tamin’ny 21 aprily 2023, aho nanoratra ilay hoe «Fararano : ambaran’ny fody sy ny vakiambiaty». Herintaona lasa, folo andro taorian’ny Paska, mbola nahitana «fodilahimena miteronterona mampidera jaky». 

Ny tapa-taona arahiko dia ny antsasany roa hitafian’ny fodilahimena jaky sy hialany amin’ny lamban’ny hajejony. Tsy manaraka taona Alahamady (Adimizana, Alakaosy, ets.), na taona Fosa (Saramantsina, Volambita, sns). Ary tsy manoko fivavahana amin’ny kalendrie gregoriana (Martsa, Septambra, sns) na dia mampiasa azy amin’ny fiainana andavanandro aza. 

Fomban’olombelona no mamorona fivavahana sy fanompoana amin’izatsy na izatsy, izay mbola ifanandrinana. Raharahan’ny Masoandro na ny Volana mbamin’ny Kintana inona moa izany. Ny zavamaniry sy ny biby, ambiaty sy fodilahimena, tsy miady voninahitra ho lohandohan’ny mpisorona, dia indreo izy miaina milamina. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne