Tany gasy, tamboho gasy, trano gasy

Fianarana tsy miato ny fiainana. Efa hananika ny enimpolo taona vao nahazo fanazavana maha afa-po tamin’ny fanontaniana nanitikitika ny saina, fony mbola kely, raha nentin’ny Raiamandreny nitsidika ny Rovan’Ambohimanga.

Ny rainay moa tia Tantara dia izy dia efa ampy nitari-dalana. Tamin’izany dia hoe tapotsin’atody no maha-ravo ny rindrin’ny Rovan’Ambohimanga. Taty aoriana, rehefa niverina matetika teny Ambohimanga, fa fatra-mpamangy na dia efa noloaran’ny Vazaha tao amin’ny Fasa-miandalana aza ny Masina sasany, tamin’ny volana martsa 1897, dia naverin’ireo «guide touristique» hatrany izany.

Tsy haiko maninona fa fahazaza aho dia efa tsy mba nino loatra izany laza-masaka izany. Saingy tsy nisy moa hoe «analyses» nanamarinana na nandisoana izany resaka izany. Hatramin’ny alarobia lasa teo.

Alarobia nandraisana anjara tamin’ilay atrikasa «Tany gasy», nokarakarain-dRamatoa Joan Razafimaharo sy ny «TRANO architecture», ka nifampizarana izay mba kely hain’ny tena tamin’ireo mpianatra «Architecture» avy atsy amin’ny nosy Maorisy. 

Ny fanorenana, trano na tamboho, amin’ny feta-tany no anton-dresaka. Maro ny vokatsoa azo avy aminy. Raha tsy hitanisa afa-tsy ireto. «Inertie thermique» : mangatsiahatsiaka anaty trano raha mafana any ivelany, mafana kosa ny ati-trano raha mamirifiry ao alatrano. «Équilibre hygroscopique» : mifoaka ny hamandoana ny rindrin-tany, na ny lalotra tanimanga, ary mamerina azy miandalana amin’ny efitrano raha maina loatra indray ao. Mora lavitra ihany koa ny feta-tany noho ny biriky masaka, satria miondrika dia efa mandraoka noho izy misy hatraiza hatraiza eto amintsika (tsy manan-karena azy ry zareo atsy amin’ny nosy Maorisy). 

Nandritra io fotoana io ihany koa no nahafantarana an’Ingahy Robisonarison Guy Joël, mpikaroka eo anivon’ny CNRIT (Centre National de Recherches Industrielles et Technologiques). Ilay Ivo-pikarohana etsy Fiadanana, nolalovan’ny afo tamin’ny 20 novambra 2021, ka namoizana antontan-taratasy maro tsy manam-paharoa. Efa tamin’ny volana jolay 1987 no nitsangana izany ivo-toerana izany saingy miasa mangina, miasa jamba rafozana, ka tsy fantatry ny Malagasy.

Hoy ary izy mikasika ilay hoe atody mandrafitra ny mandan’Ambohimanga : na dia marina aza fa nampiasaina tamin’ny fanorenana ny «Muraille de Chine» (ilay tambohobe mirefy 20.000 kilometatra, nilofosana tsy an-kiato nandritra ny 2000 taona) aza ny atody, azo heverina kokoa fa «sakafo» mamahana ny tany haniry ny fanafangaroana atody amin’ny tany. Tahaka izany ihany koa ny fampiasana akoran’atody (na harandriaka «corail») mitondra «carbonate de calcium». Na ranom-bary, na tain’omby, na tapatapak’ahitra, alaro ny tany dia «sakafo» mamahana azy avokoa. Ny loko mavo-mena, fahafantarantsika ny «tamboho gasy», dia noho ny «oxyde de fer». Io «oxyde de fer» io, hoy Robisonarison, dia, manginy fotsiny hoe tsy tontan’ny ela, fa mainka aza mihamafy arakaraky ny taona mifandimby. 

Rehefa voavorin’Andrianampoinimerina indray Imerina, dia nandry ny tany. Niala tsikelikely tamin’ireo vohitra avo ny olona ka nidina namonjy ny tanety. Tsy mba nianatra «chimie» ny Ntaolo (inona taminy izany CaCO3 sy Fe2O3 izany), anefa dia mahagaga ny zava-bitany ary mbola lovaintsika mandrak’ankehitriny ny «tamboho gasy» efa roanjato taona. Antony tokony hikajiana azy ireny, satria lova tokony mbola ho lova. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne