Ny aina tsy mifametra

Efa teo aho 1995, indro tazana 2024, mbola hoe ve 2025 sy ny afara ? Tantara ihany, ka tantara...

Na aiza na aiza, na oviana na oviana, raha vao mitanisa 29 taona, dia tantara. Tamin’izany andro izany, raha ny ahy manokana, dia ny alahelo mifangaro hatezerana no tena namaritra ny taona 1995. 

Montsan’ny afo ny Rovan’Antananarivo, io 6 novambra 1995 io. Izaho, tamin’izany, vao niverina avy nampandany an’Itompokolahy Serge Andriantsitohaina ho Ben’ny Tanàn’Anjozorobe. Nandalo teo Mahamasina ny lalana hody Soanierana dia niakatra ho azy ny maso, nanopy tamin’ny Rova sy Manjakamiadana. Topi-maso farany amin’ilay tena Lova sy Vakoka anjato taona maro.

Hatezerana sy alahelo no nidirako voalohany ny «desk», L’Express de Madagascar». Tsy nahafantatra na iza na iza. Ary tsy nisy niraharaha afa-tsy izay nanondro ahy hanatona mivantana ny «RedChef», Christian Chadefaux. Tsotra ny teniny : «Vous avez un stylo ?».

Nomena toerana sy taratasy aho hanoratana. Dia iny no voalohany indrindra, mbola tsy «Sans Complaisance», mbola tsy «Chronique de VANF», mbola tsy «Mamalan-kira». 

Manoratra tsy fe manoratra. Manoratra manaja ny tsipelina. Mitandro zavatra maro. Indrindra mametraka ny fenitra tsara fanao, ny fepetra tsy maintsy atao, mba hahatsara hasina izay tian-ko-hambara. 

Ny «Chronique» sy «Mamalan-kira» moa lonjilonjin’izaho samy irery, fa ny soratra, noheveriko hatrany ho anareo, ho antsika. Kanjo teny miverina ny soratra, na iniana tsy akoina aza. Hany kabary tena tsy valiana.  

Efa omaly, mbola androany, enga rahampitso : manana hambara, tokony hiteny, satria ny fahendrena tsara indrindra dia ny «an-dapa tsy mahadiso». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne