Latsain’ny fitaizana adino sy ny fampianarana nodinganina

Olan’ny demokrasia eto Madagasikara, ndao atao hoe hatramin’ny 1992, taona nisian’ny fifidianana voalohany taorian’ny «Tolom-piavotana» sy ny «Revolisiona sosialista» ary ny «Boky Mena», io zo hifidy io. Olona tsy mahay mamaky teny, tsy mahay manoratra, ve tokony afaka hifidy anefa ny vatony dia mitovy tanteraka amin’ny anao miezaka mahafantatra ny didy aman-dalàna, miezaka mamaky ny Lalam-panorenana, miezaka mandalina ny fomba fanao any amin’ny firenena demokratika tsiriritintsika ?

«Ny Razantsika hendry», hoy ilay fitenenana. Raha nisy boky nahafantarany ny tantaran’i Aleksandra Lehibe (na ny Farao, ny Maya, ny Inkà, ny Azteka, ny Ming, ny Grika, ny Romana), moa ve Andrianampoinimerina tsy mba feno fahendrena kokoa ?

Fahendrena moa ve tsy azo raha tsy any am-pianarana ? Mety hisy sehatra hafa tokoa, saingy mora kokoa hanitaran-tsaina sy hanovozam-pahalalana ny Sekoly. Maromaro ihany koa ny singa mety mandrafitra izany hoe Fahendrena izany, saingy azo antoka fa mba isan’ny lehibe amin’izany ny fahaizana amam-pahalalana. Tsy voatery hoe diplaoma marobe, na dia ireny aza no mari-drefy mahavantana amin’ny fiaraha-monina ankehitriny, fa misy farafaharatsiny tsy azo raha tsy mahay abidia mba hahafahana manovo anaty raki-pahalalana.

Mandra-piandry ny «Lalampanorenana sy ny andininy zato mitety faritra» dia efa misy izao ny «Boky mitety vohitra» : raha tsy afaka mandia Sekoly ny ankizy, noho ny fahasahiranana sy ny fahantrana, dia misy tsara sitrapo mitondra ny Boky hanatona azy ireny hatrany amin’ny Fokontany. Mba zavatra hafa, ankoatra ny raharaha fitadiavana, na dia ora vitsy monja indray mandeha isan-kerinandro aza. Vetivety isentoany, fotoana itsaharany, mba azy ho izy. Tahaka ny voa afafy, na ho ela na ho haingana, hiandrandrana voka-tsoa, ho azy manokana ary ho an’ny fiaraha-monina.

Misaotra ireo mbola tsy kivy, manana fandavan-tena, misiki-ponitra isan’andro ary mandavantaona, manao izay zakan’ny heriny sy takatry ny vola am-pelantanany. Marobe izy ireo, misy malaza, betsaka kokoa anefa ireo vitsy mpahalala. Tsy mitady sitraka rahateo izy ireny, fa dia adidy noraisina an-tsitrapo.

Samy hafa tokoa amin’ny politika tsy misy fitsinjovana ny tombontsoa iombonana. Ny fahefa-mividy nitambotsotra, ka nitotongana hatramin’ny fivarinana ankadin’ny fahantrana ; ny kolikoly (izay voambolana tena malagasy efa hita tamin’ny rakibolana taonjato faha-19) ; ny lalana simba, ny jiro tapaka, ny rano maloto, ny fitsaboana tsy manara-penitra, ny sekoly mitafo lanitra ary tsy manana dabilio : tsy mba izany no mampirotaka ny Malagasy, fa ny kobaka am-bava ifandimbiasan’ny mpanao politika. Dia ny tsy fahaiza-mitantana anio no atakalo fampanantenana poakaty rahampitso. Raha misy «Fanabeazana mitety Fokontany» hizarana ifotony ny fomba sy fanao, ny fepetra sy fenitra, ny fady sy ondrana, maha-orim-paka ny Demokrasia, amin’izay fotoana izay angamba vao tena ho fifidianana voahevitra.

«Mandatsa-bato» : nomem-potsiny niaraka tamin’ny Repoblika tsy niadian-kevitra sy ny Fahaleovantena tolo-botsotra ny atao hoe «suffrage universel». Tsy nangataka izany ny Gasy tamin’ny 1960, satria na ny Lalam-Panorenana 1959 aza tsy nanaovana «référendum». Sarotra anefa ny hisintonana izany, na dia nampiasaina fahatany aza ilay zo hifidy : nanomezana 99 isan-jato ny Filoha na nandaniana anjambany andininy marobe amin’ny Lalam-Panorenana tsy nisy namaky (1975, 1992, 1995, 1998, 2007, 2010). Dia eo ilay fitaizana nadinoina sy ilay fampianarana nodinganina no mitaky ny trosany.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne