Farihin’orana, ranobe mangeniheny

Matevina ny orana ao alatrano ao. Efa ho ora vitsivitsy izao. Very fotsiny an-tatatra indray anefa io rano-aina io. Raha izao mantsy anefa no mba natomboka ilay «ranomasina am-pototr’i Manjakamiadana», ilay Mantasoa faharoa, ilay Mandroseza fanampiny, ilay Tsiazompaniry sosona. Hevero vetivety anie izany farihy-kamory-dobo midadasika izany, hanangonana ranonorana. Dia ilay rano ilaharana, anefa io ny orana hanaranam-po. 

Mandrezatra rano indray ao izay Ampasimbe, ilay efa saiky ritra niraofan’ny zanakomby ahidrano. 

Mihoa-pefy angamba izay ao Andranovory, misasasasa maika hanati-drano amin’Ikopa. Aleo tokoa rano mandriaria tsy voatohobato, toy izay itony rano ritra, mihafihafy sendra vatokely manoha ivin-tsaka, voadikadika am-paladian’ny mpandalo. 

Nandalo ilay rivotra Alvaro dia sahirana ny saina mahita ny sary avy any Morombe : dibo-drano ny tanàna, ranobe mangeniheny. Fa, amin’iny manodidina ny vinan’i Mangoky iny sao afaka hanamboarana «Alaotra» (laut = ranomasina amin’ny teny indoneziana) na «Itasihanaka» (tasik = farihy amin’ny teny indoneziana) vaovao, dia tsy inona fa farihy-kamory-dobo ho tobin-drano ? Toerana firifiry eto Madagasikara, tsy am-pototr’i Manjakamiadana ihany, tsy amin’ny vavaranon’i Mangoky ihany : rano ve moa tsy hidina, saingy azo sakanana tsy hisinda avy hatrany, hazonina mba hisy ampahany tamana, hamonto ny tany, hanainga lavitra ny rahona. 

Mba tsy ho izao rano jerem-potsiny hivarina an- dranomasina izao lalandava. Tatatra arivo, sakelidrano zato, farany tsy maintsy riaka. Aiza loatra re ireo «ranobe mangeniheny», hitsinjovana ny vodiandro tsy ho merika intsony fararano.  

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne