Fanagasiana ny Tantara sy Jeografian’i Madagasikara

Bokin’ny fandaharam-pianarana frantsay, «Histoire et Géographie», kilasy «CE2», izany hoe «Neuvième» taloha» na ihany koa T3, no eto ambany masoko. Natao ho an’ny zaza fito na valo taona. Vao misokatra ny boky dia sarintanin’i Frantsa no mitsena ny mpianatra : ireo ony sy renirano, ny tendrombohitra lehibe. Jeografia ahitana sary iray na roa isaky ny takila mampiseho endriky ny tanàna samy hafa manerana an’i Frantsa, ny famokarana sy fivelomana isam-paritra, ny fitaovam-pifamoivoizana. 

Ny mpianatra malagasy fito na valo taona ve manana boky mitovy amin’izany, manazava ny tany, ny olona, ny Jeografia, ny Tantara ? Tamin’izahay T4 dia nampiasa ilay boky «Teto anivon’ny riaka». Raha Jeografia, misy sarintanin’i Madagasikara tokoa ao anatiny, mampiseho ny ony sy renirano : Manambolo, Tsiribihina, Mangoky, Onilahy, Mananara, Menarandra, Sofia, Sambirano, Baly, Maningory, Onibe, Ivondro, Mangoro, Mananjary, Antanambalana, Bemarivo, Mania, Iandratsay, Matsiatra, Isandra, Manandriana, Namorona, Sahamaloto, Sahambavy, Sahave, Manantanana, Ikopa, Andromba, Sisaony, Varahina, Iombifotsy, Sakay, Betsiboka... Saingy tsy voamarika ny haavon-tany, ny tendrombohitra telo lehibe (Tsaratanàna, Ankaratra, Andringitra), ny farihy (Alaotra, Kinkony, Itasy, Antsohary, Bemamba : araka ny fitanisan’i Régis Rajemisa-Raolison ao amin’ny «Dictionnaire historique et géograhique de Madagascar»). Tsy misy firy ny fanazavana mikasika ireo ony sy renirano ireo, ary ny anjarany teo amin’ny Tantara isam-paritra. 

Dimampolo taona aty aoriana, firy amintsika no mahafantatra an’Androna, mampitohy an’i Port-Bergé sy Maroantsetra mandalo an’i Mandritsara, hadilanana voajanahary nifaneraseran’ny Sakalava-Boina sy ny Betsimisaraka ? Toy izany koa Ivohibe, mampifandray an’i Vangaindrano sy Farafangana amin’Ihosy, ka mety nanamora ny fifaneraseran’ny Antesaka (atsinanana) sy ny Sakalava (andrefana). Sy ny lalana hafa izay  efa nodiavin’i Flacourt na Mayeur sy Grandidier, nanaraka ireo tompon-tany nitari-dia azy, tsy ho voatanisa eto. 

Ankoatra ny Tantara (faha-Gola, faha-Vazimba, faha-Darafify, faha-Rapeto, faha-Zafiraminia,..), izay mbola ambangovangony am-pandrasàna ankehitriny, ny fahafantarana ny Jeografian’ity Nosy ity no fitaovana lehibe voalohany hampandrosoana azy : Jeografia no mandrafitra ny toetr’andro mando sady mafana ao Sambirano, am-pototr’i Tsaratanàna ; Jeografia no mamaritra ny renirano mahazaka toho-drano havadika ho angovo ; Jeografia no tokony hanondro ny lalana sy fifamoivoizana an-tany andry tsy ho kaokan’ny riaka na ho dibo-antsanga. 

Isan’ny fitakiana goavana, tamin’ny «13 mey 1972», ny «Fanagasiana». Fahalalana tsara kokoa ny zava-misin’i Madagasikara, Jeografia, Tany-Teny-Tantara, izay ilay tena «Fanagasiana» ny fampianarana ny Malagasy. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne