Ny teny gasin-dRabearivelo

Ny 22 jona 1937, siviambivalopolo taona lasa katroka androany, no nisafidy ny hamono tena Rabearivelo Jean-Joseph. Mbola tsy nisy folo taona akory ny Fanjanahantany no teraka izy ka dia zava-mahagaga tokoa ny nahaizany sady nanoratra tononkalo amin’ny teny gasy no amin’ny teny frantsay. Samy fatratra ny fahaizany ireo teny roa tonta ireo ka sarotra fantarina iza no nosoratany mialoha ary iza kosa no dika-teny. 

Liana tamin-java-baovao Rabearivelo, isan’izany ny nianarany teny espaniola ihany koa, saingy tsy afaka tsy ho zanaky ny taonjato faha-19 vao nivalona, satria vao roapolo taona monja no nahafoana ny Fanjakan’Andriana no namoaka ny tononkalo voalohany fantatra fa azy izy, tao amin’ny gazety-boky «Vakio ity», ny taona 1915.

Ny olon-dehibe nanabe azy sy niresaka taminy, nampita ny lovantsofina, inoana fa taiza hiringirin’ny taonjato niainan-dry Ranavalona III (teraka 1861) sy Rainilaiarivony (maty 1896). Dia izany feon’ny teny taloha izany, izany kalon’ny tonony fahagola izany, izany hain-tenin’ny Ntaolo izany, no nandrafitra ny sainy ary namandrahany (cf. Fandraka) ho tsakoina mandrak’ankehitriny.

Tsy tazako tao anaty asa-soratr’i Rabearivelo ny teny «Barea», izay faritan’ny Firaketana hoe «BARE na BARIA : ombimanga na ombihaolo tsy misy mpiandry fa mitoetra any Bongolava». «BARIA na BARE : ombidia, ombimanga. Amin’ny Antankarana any Vohémar, ny baria na varia, dia vala, fahitra, ary ny omby ompiana ao am-bala na fahitra dia atao hoe omby am-baria». 

Amin’izao hoe «Iray volan’ny teny malagasy» izao, ary ho fanitaram-pahalalana, indreto misy tononkalon-dRabearivelo naha tsipalotro ny teny Omby. Misy voambolana iray, «JININJA», tsy mahazatra antsika ankehitriny intsony : jinja idiran’ny tsofoka -in. Ny dikany, azo takarina amin’ny fanazavana nentin-dry Mompera Abinal sy Malzac ao amin’ny Dictionnaire (1888) mikasika ny «Jinja-andry» : marika voasikotra amin’ny andrin-trano, ka hanarahana ny fitombon’ny zaza na hitadidiana zava-nitranga. Ilay antsy, sady fijinjana vilona ihany no «fanoratana» amin’ny hazon’ny andry afovoany, na amin’ny vatolampy: 

OMBALAHY

Vokoka toy ny vohitr’Imerina
Mierinerina eny an-tendrombohitra,
Na nojininja tamin’ny vatolampy ; 
Misy trafo toy ny lohatrano
Sokirin’ny volana eo amin’ny tany,
Inty ny ombalahy mahery
Jaky toy ny volon-drany.
Tany hay, tany hay
Inona no ampatsiahivinao azy ao anaty tapa-torimasony ?
Moa ve ny namany tsy misy trafo
Ary mena toy ny vovoka
Izy, tompon’ny tany tsy misy olona ?
Sa ny razany nafahin’ny tantsaha
Dia noroahiny ho any am-bohitra, mirava-boasary masaka,
Mba ho vonoina ho hasin’Andriana ?

Mahalasa saina ny omby kisarian-dRabearivelo eto : tsy misy trafo hoy izy, mena toy ny vovoka hono, ary indrindra, tompon’ny tany tsy misy olona. Ombihaolo, tsy misy trafo... Barea ? Ny omby malaza, omby volavita, fanatitra isaky ny Tendrombohitra roambinifolo anefa, rehefa androm-Pandroana, malaza indrindra noho ny trafony fanolotra : raha «nahita» ny omby hono Ralambo, dia ny tsiron’ny trafon’ny jamoka no naharevo azy ka nampihinan-kena ireo mety ho Hindou teo aloha...

NY OMBY FOTSY

Aleoko manonona azy hoe : Omby fotsy, toy ny Arabo
Tovolahy jamba tany am-paritry ny mazava izy
Ka tsy nahita hosafosafoina ny tandrony tany ;
Saingy izao teraka izao ny voninkazon’ny tanin’ahitry 
ny alina
Ary mirongatra miraotra azy toy ny vatotr’ombivavy 
ny volana
Ka mihiratra ny masony ary toa matanjaka noho ny ombimanga
Sy ny omby dia izay matory any an-Kaintsika izy

Eto dia mbola voatanisa ny omby dia, monina an-tany hay, tsy misy olona. «Fahitra manandrona ny hariva», «onin’ny fahazavana», «vinan’ny kita-mitsilopy» : ity omby fotsy ity, sao mba omby jamba, omby fotsy maso ?

Tsy mahazatra ny fanoratan-dRabearivelo amin’ny amboaran-tononkalo «Sari-Nofy, Presque Songes» (1934) sy «Nadika tamin’ny alina, Traduit de la nuit» (1935) satria tsy miady rima fa manaraka kosa ny gadon’ny Hainteny. 

Ho fahafinaretan’ny sofina, vakio am-bava, tonòny ho re, ity tononkalo manaraka ity fa ho henonao tokoa ny tsiron’ny voankazo nangalarina tany amin’ny tanimbolin’ny alina ary ho azonao an-tsaina izany molo-jazavavy mainty manga mitsako voarohy :

TERAK’ANDRO

Efa nahita ny mangiran-dratsy mangala-boankazo
Tany amin’ny tanimbolin’ny alina va hianao ?
Inty izy miverina avy any,
Eny amin’ny lalan-kely atsinanana
Rako-tenina mivelatra : 
Misoliti-dronona ny tenany manontolo,
Toy ny zaza nobiazin’ny omby taloha.

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne