Takila eninambinifolo be izao no natokan’ny Firaketana (janoary 1965) namoaboasana ny mikasika ny «lamba». Ny LAMBA, hoy ny famaritana, dia kofehy notenomina ka tonga takelaka azo tafi(a)na na atao akanjo na anaronana na amonosan-javatra.
Ny teny hoe lamba dia ilazana manokana ny Malagasy tsy mitena akanjo. Izany dia tapa-damba roa eo amin’ny 2,50 metatra no avitrana ho lamban’olona iray raha olon-dehibe.
Toy izao no fitafin’ny Malagasy ny lambany: asarona ny lamosina sy ny soroka ny lamba nefa atao fohy kokoa ny ilany, dia ilany lava no atoraka (asampina) hanarona ny soroka ilany sy hivadika any an-damosina. Raha ny tanana ankavanana no manipy azy toy izany mba hanarona ny soroka havia dia atao hoe sampin-kavanana. Raha ny havia kosa dia sampin-kavanana. Amin’ny lehilahy, rehefa voasampina toy izany ny lamba dia mbola raisina indray ny ilany avy dia samy afolaka miakatra hanindry ny soroka havia sy havanana : izany no atao hoe fola-droa. Ny zoron-damba anoloana tsy maintsy mirotsaka eo afovoan’ny tratra ary ny iray eo afovoan’ny lamosina.
LAMBA ARINDRANO : lamba fanaon’ny olona any Betsileo atsimo, faritanin’Iarindrano ; misy izy kofehy landy avokoa ny tenany sy ny fahany, misy ny tenany ihany no landy fa landihazo ny fahany, ary misy aza landihazo avokoa. Fa ny mampiavaka azy indrindra dia izy misoratra mainty sy fotsy mitsoriadriaka mifanelanelana.
LAMBA AROSY : lamba landy malagasy misoratra mitsoriadriaka na misy loko samy hafa.
LAMBA GONY : lamba natao tamin’ny kofehy rongony vaventiventy fanao kitapo na lasaka fitondrana entana toy ny variakotry na fotsimbary na lafarinina.
LAMBA HARIRY : natao tamin’ny kofehy karazan-drongony tsara sy madinika, ka sady tsara tenona no mafy ary fotsy madio.
LAMBA JIAFOTSY : lamba atao amin’ny rofia notorina ny tenany sy ny fahany.
LAMBA LANDIHAZO : vohavohan-dandihazo no natao kofehy anaovana azy.
LAMBA SARIKA : ny kofehy sarika dia avy amin’ny tsiratsiraky ny vatan’ny akondro atao hoe sarika.
LAMBA SARIMBO : natao tamin’ny kofehy namboarina tamin’ny tsiratsiraky ny hazo afotra.
LANDIBE : miely amin’ny hazo tapia ao amin’ny faritanin’Itasy (Arivonimamo no miankandrefana). Tany Tsienimparihy (Ambohimandroso sy Ambalavao, Betsileo atsimo) tsy mba tapia no niompian-dandy fa ilay zavamaniry atao hoe amberivatry = ambatry.
LANDIKELY : ny voaroin-dandy dia nentin’ny Misionera L.M.S. mpahay taozavatra (tamin’ny andron-dRadama 1822). Niompy landy sy nitondra milina famolesana sy fanenomana izy ary nampianatra zatovo malagasy maro tetsy Fenoarivo. Tetsy Amboniloha, avaratr’Antananarivo, ny tanàna iray manontolo dia mpahay taozavatra momba ny landy. Ny foko Andrianamboninolona sy Andriandranando dia tena mpiangaly ny fanenomana landy landy tao amin’ireo tananany. Jean Laborde indray dia nampiditra karazany vaovao tamin’ny landikely. Ny Jeneraly Gallieni nampanorina sekoly fiompiana sy fanaovan-dandy teny Nanisana. Naorina koa ny trano fanenomana amin’ny milina tany Antsirabe (1913) ary tany Ambositra (1918) nisy ny tranofiasana natao hoe «Famolesana sy fanenoman’i Madagasikara».
Tamin’ny fankalazàna ny 26 jona 2026 teo, somary haitraitra ihany saingy nanetsika hambom-po kosa ny fifaninana nanao «fitafy malagasy». Antenaina ho vokatr’ireny dia hiverina ho velona indray ny asa-tanana manodidina ny kofehy isan-karazany (akondrosarika, afotra, rongony, rofia, tala, sns), ny fanenomana sy famolesana.
Voatanisan’ny Firaketana zavatra efa tsy ampoizina intsony ankehitriny : teny Itaosy nisy mpanao lamba landikely an’i Profesora Albert Rakoto-Ratsimamanga. Ilay Mompera jesoita Paul Camboué dia nampiasa ny faroratra avy amin’ny folihala, ka nahavitany lamba : roa metatra tsy mivadimandry izay nalefa naranty tany amin’ny Exposition Universelle tany Paris (1900). Ny «Atelier d’arts appliques» sy ny «Société textile malgache» dia samy nahazo aina nandritra ny Ady lehibe faharoa (1939-1945) satria tampina ny fampidirana entana avy any ivelany.
Mbola ny Firaketana ihany : «Tamin’ny taona 1902-1907 dia nandroso fatratra teto ny fiompian-dandy sy ny fambolem-boar oihazo. Teo Nanisana no natao foiben’izany. Nasian’ny Fanjakana toerana fiompian-dandy filamatra Anjozorobe, Ankazobe, Andramasina, Soavinandriana, Betafo, Antsirabe, Ambohimanga, Ambatofinandrahana, Ambositra, Fianarantsoa». Voalaza ho nahatratra 100 taonina isan-taona ny akoran-dandy vokatra manodidina an’Antananarivo tamin’izany.
Farany : tamin’ny 1960-1963 dia nanontany ireo vehivavy mpianatra ny Oniversite, raha ny heviny mikasika ny fitafiana lamba : 35% sady tia no mitafy lamba ; 42% tia anefa tsy mitafy azy ; 17% tsy tia lamba ; 6% miankina amin’izany tian’ny ho vadiny.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja