Nanorokoro ny fiteny

Gen, 11:4 : «Andeha isika hanao tanàna sy tilikambo ho antsika, ka ny tampony hahatakatra ny lanitra». Nidina nizaha Jehovah : «Aoka Isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahalala teny izy». 

Andro indrindran’ny Pentekosta jiosy (andro faha-50 taorian’ny Paska) no nitrangan’ny Pentekosta izay ho ataon’ny Kristianina fanombohan’ny fampielezana ny Filazantsara. 

Lovantsofina taloha elaben’ny Genesisy (heverina ho valonjato taona ka hatramin’ny dimanjato taona talohan’i J.-K.), raha ny hevitra fonosiny : niray fanononana ny olombelona vao voasazy tsy hifankahalala fitenenana. Lovan-kolontsaina tany Mesopotamia io no nindramin’ny Hebreo jiosy. 

Ilay Babel, nisian’ny teny marobe, no lasa Babylona izay niorina sahabo ho 80 kilometatra atsimon’i Bagdad ankehitriny, imoron’ny ony Eofrata (Euphrate). Ny lemaka elanelan-tany vakin’i Eofrata (andrefana) sy Tigra (atsinanana) no nahatonga ny fanondroana hoe «Mesopotamia» izay midika «anelanelan-drano roa». 

Tsy hihambo hahay Baiboly saingy mianatra rehefa sendra ny boky, «Symbolika na Fampianarana ny amin’izay inoana», nosoratan’ilay misionera norveziana (N.M.S.) Lars Dahle tamin’ny 1950. 

Hoy izy : «Mizara roa ny Kristiana rehetra : 1) Ny Fiangonana Katolika : 1a Ny Katolika Romana ; 1b Ny Katolika Grika ; 2) Ny Fiangonana Protestanta : 2a Ny Fiangonana Loterana ; 2b Ny Fiangonana Réformé ; 2c Ny Fiangonana Anglikana.

Iray ihany hoy izy, «hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny siekla faha-VII», saingy nifampialona ireo eveka «samy lehibe sy ambony voninahitra» dia izy dimy tao Jerosalema, Antokia, Aleksandria, Konstantinopla, Roma. 

Nisaraka voalohany Ny Fiangonana Katolika Romana tany Roma sy ny Fiangonana Katolika Grika tany Eoropa atsinanana sy tany Asia andrefana (692-1054). Tany Eoropa andrefena, nitsangana nandà indray koa Luther tamin’ny 31 oktobra 1517, nanao peta-drindrina ny «Thèses 95» tamin’ny varavaran’ny trano Fiangonana tao Wittenberg (Alemaina). Nanaraka azy Zwingli (1524) sy Calvin (1536) tany Soisa, ary niitatra hatrany Angletera rehefa nametraka ny «Artikla Enina» ny Mpanjaka Henri VIII (1539) ka teraka ny Fiangonana Anglikana izay noheverin-dRanavalona II sy Rainilaiarivony ho atao teto Madagasikara raha nanorina ny Fiangonana Tranovato Anatirova izy.  

Singanina amin’ireo «Fanoherana», ombam-panazavana, entin’i Lars Dahle ny mikasika ny fandikàna ny Baiboly : ny dika amin’ny teny latina, «Vulgata» (taona 384-405) no hoe ankatoavin’ny Fiangonana Katolika izay lavin’ny Protestanta satria hoe «tsy misy sahala fahefana sy fahamarinana amin’ny Baiboly hebreo sy grika» (L. Dahle). Teny tsy nifankahazo intsony moa no nanombohana tao Babel ; teny mahay mitory amin’ny firenen-drehetra no hatramin’ny Pentekosta kristianina ; teny ifanatrehana toa mbola tsy miravona ho eokomenisma tanteraka hatreto. 

Iraisan’ny rehetra kosa angamba izay nozarain’ny Papa Katolika Leon XIV : «Fanoherana ny ady : tsy Tanjaka tsy hay tohaina, fa Hery Mahefa ny zavatra rehetra ; Ady amin’ny fahantrana : tsy Harena tsy hita pesipesenina, fa Fanomezana tsy hita lany». 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne