Taom-baovao ka tsy Lohan’ny Taona ?

Raha «misava ny ravina» ka hamotopototra izay niavian’ireo Razambe, raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy ny avy any Azia Atsimo-Atsinanana, izay anton’ny «Konferansa Austronesia» natao tamin’ny alahady lasa teo teto Antananarivo, dia tokony mitandrina mba tsy hanafangaro manao «anachronisme ascendant» na «anachronisme descendant».

Norasarasain’i Alain Delivré antsakany sy andavany ireo tao amin’ilay «thèse» nataony mikasika ny «Tantara Ny Andriana» (TA).  Ny «anachronisme descendant» dia mampanakaiky zava-bita na vanim-potoana efa ela dia ela. Ohatra : izay «tratra farany» no lazaina fa «nahitana» ny zava-drehetra. Hoy A. Delivré : «Dans les Tantara, comme dans l’oeuvre de Rainandriamampandry, le grand nombre de pages consacrées au règne d’Andrianampoinimerina ne doit pas faire illusion ; il est clair que bien avant le génial Nampoina, l’Imerina avait déjà accompli de grands progrès vers l’unité politique» (p.108). 

Ny «anachronisme ascendant» indray dia manantitra ny kabary anio ho efa afak’omaly, tahaka izay fahita amin’ny fari-bava mitovitovy : teo amin’Andriamanelo rainy sy Ralambo zanany, na teo amin’Andriamasinavalona sy Andrianampoinimerina . Ilay tenin’Andriamasinavalona, «Izao, ray Merina ambaniandro, tsy misy tsy ho ahy izao manodidina ity Nosy ity» (TA, 297), moa tsy karazan’ny mampilaza sahady an’Andrianampoinimerina sy ny «riaka no valam-paria» ?

Ka, raha hiresaka ireo Razambe niala tany Azia Atsimo-Atsinanana, tany amin’ny taonjato faha-5 (na efa talohan’i Jesoa-Kristy), izany hoe taloha lavitra ny niforonan’ny Fivavahana silamo, tsy tokony hanontany «andro tsara» amin’ny «sikidy» mitondra anaran’ny volana arabo (alakaosy, adijady, ets.) izay fanandroana taty afara, tonga tamin’ny Antemoro ary tafakatr’Imerina, taorian’ny «fanisana Vazimba», izany hoe izay tena Nta-olo. 

Misy ifandraisany amin’izany safidy izany mantsy ny fifandirana manodidina ny «Taom-baovao». Ny ahy moa ny hevitro dia nangoniko amin’ireo «Mamalan-kira» (MK) sy «Teny Gasy» (TG) nifandimby. 

MK, 01.07.2014, «Ambiaty, mahalala am-pon’ny lanitra» : Misy zavamaniry iray tena mpaminany ny fiavian’io lohataona io dia ny ambiaty : «rehefa mivelatra ny voniny (volana août) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty, aorian’ny «vary aloha», izay afafy aorianakelin’ny fararanom-bakinambiaty (volana mai)» (Firaketana). Misy ohabolan’ny Ntaolo nanamarika izany toerana manokan’ny ambiaty izany : «Manan-jara samy hazo ny ambiaty : nahazo to amin’Andriamanitra ka nataon’ny olona famantaran-taona», «Ny ambiaty, mahita ny ao ampon’ny lanitra», «Aza manao tahaka ny ambiaty, mahalala taona, fa tsy misy hotazana» 

Hanampy hamaritana marina ny taombaovao malagasy ny fahafantarana raha ara-masoandro na ara-bolana ny «asara» sy «asotry». Ambiaty mahalala ny am-pon’ny lanitra hoy ny ohabolana : ka ny lalan’ny masoandro sa ny fihodin’ny volana no maha oranandro sady mafana na maha mainandro sady mangatsiaka, ka hisafidianana na ho taona sanskrita-indoneziana, izay heverina fa ntaolo, sa taona arabo-soaheli, izay nentin’ny Antemoro tamin’Andrianampoinimerina nanomboka ny taona 1802. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne