Ny lahatsoratra izay manaraka dia notsoahina tamin’ilay boky nosoratan’i Sese Rakotomaniraka, teloambiroapolo taona lasa : «Endrika miafin’ny Ati-Rovan’Antananarivo». Isika, raha vao resahina «endrika miafina», indrindra ka mahakasika ny Tantara dia revo ho olon’ny fo (sa fanahy ?) fa tsy dia olon’ny saina loatra intsony.
Fanontaniana tsy nahitany valiny, fony fahavelony, no isan’ny voatsikafona ato. Araka izany, tsy midika velively ho tena nisy sy nitranga marina. Fomban’ny olona taloha no mifampita resaka fanalana andro ka sao dia isan’irony karajia izay voatantara eto. Tsy hoe niteniteny fahatany fotsiny ihany koa anefa ny olona nialoha antsika. Indray andro any, mbola hiavaka ny fotsim-bary sy vary akotry. Mety tsy ho ampoizina ihany koa anefa ny valiny amin’izay.
(Sese R.) Nisy resaka nandeha teto, efa hatramin’ny ela fa «toa hoe» nalain’ny Vazaha hono ny karan-dohan’Andrianampoinimerina, ka nalefany any an-dafy (any amin’ny Musée de l’Homme, hono) hanaovana fandinihina. Izahay tsy dia hitsaratsara foana, fa izao kosa ny toe-javatra mahalasa fisainana.
Tamin’ny fotoana namongarana ny razan’Andriamanjaka tao Ambohimanga, tamin’ny 15 mars 1897, dia voatantaran’Ingahy Jean Carol, fa raha ilay nandray ny vatan’ny Masina Andrianampoinimerina iny ireo Zanadralambo roa lahy nampanaovina ny raharaha, dia natahotra izy, nangovitra hono ny tanany, ka navelany hipoitra ny karandohan’ny Ombalahibemaso. Mahalasa eritreritra sy toa sarotra inoana izany fitantarana izany satria fantatra fa tsy maintsy ho lambamena am-polony maro no nafono ny Andriamanjaka ka tsy hety hiboraka moramora toy izany. Tsy voalaza tsy akory fa lasan’ny Vazaha ilay karandoha tamin’izay, kanefa kosa tsy misy antony loatra tokony hitantarana io toe-javatra io.
Itompokolahy Professeur Rakoto-Ratsimamanga Albert dia milaza ao amin’ny boky nosoratany, izao toe-javatra manaraka izao, izay niseho tamin’ny andro nitifirana ny Printsy Ratsimamanga dadabeny : «Certains ont dit que l’administration coloniale avait fait scalper la tête de mon grand-père et aurait expédié le crâne à Paris dans un quelconque musée scientifique en vue d’études anthropologiques. Je livre la légende telle quelle. Je ne peux rien affirmer. Jusqu’à nouvel ordre, le corps reste à Ambohidrapeto».
Tamin’ny taona 1938, raha nofongarin’ny Vazaha tao Alger ny taolambalon-dRanavalona III, mba hakarina ho aty Antananarivo, dia nifanaraka izy rehetra nanao ny raharaha (tsy nisy na dia tapika-Malagasy iray aza tao) fa hosokafana ilay karipetra matevina nifonosan’ny Masina hijerena ny tao anatiny. Dia niseho tamin’izay, hono, fa «hita niraikitra tamin’ny taolan-kazon-damosiny ny karandohan’ny Razana». Inona no antony nanasokafana izany efa tsara pirina sy efa tsara fonosana izany ? Hangalana firavaka sa dia hangalana indray koa ny karandohan’ny Masina ?
Tamin’ny volana aprily 1998, raha nanontanianay ny tompon’andraikitra iray nanao ny asa fikarohana tao amin’ny tranomasin-dRadama Rainy, dia namaly tsy am-pihambahambana izy fa «roa fotsiny ny karan-doha hitany tao. Isika no aoka hanisy tohiny izany baraingo mahalasa eritreritra izany».
Hatreo ny ampahany amin’ny «Dinidinika tsotsotra» nataon’i Sese Rakotomaniraka, tamin’ny jolay 2002. Tsy «historien» izy fa nankafy Tantara ary mpamaky boky. Ireo izay nahalala azy dia mahafantatra tsara ny fitiavany mandalina (sy mandahatra amin’ny tany) ny tetiarana.
Tsetsatsetra tsy aritra fotsiny sisa no itanisana hoe nisy izany foko Jivaros izany, mpanapa-doha sady mpanakely loha nalaza tany Équateur sy Pérou ankehitriny : «tsantsa» no anaran’ny karandoha izay vitan-dry zareo antsasany na ampahatelony akory tamin’ny habeny mbola fahavelon’ilay fahavalo novonoiny. Ny Dayak any Kalimantan, nosy lehibe any Indonesia, izay ahitana ny foko mivolana ny tarona akaiky indrindra ny fiteny malagasy, dia mbola nalaza ho mpanapa-doha hatramin’ny taona 1920. Ny baraingo izay napetrak’i Sese R. eto, dia mety ho tokoa «teny toy ny atody, ka raha foy, manan’elatra».
Nasolo-Valiavo Andriamihja