Mampalahelo sady mahasorena, ary mahatezitra sy maharomotra mihitsy, ny vaovao fa misy fandorana tohi-vakana ny ala, saika manerana ny Nosy. Misy teti-dratsy hanimba tanteraka an’i Madagasikara kotrehin’ny «sasany». Simbaina ny fampianarana, atao tsizarizary ny fitaizana toe-tsaina, vidiana amin’ny vary masaka ny safidy samihafa amin’ny andavanandro. Rehefa lao-monina isika Tompon-tany dia hisovoka amin’izay ny «hafa». Any amin’ny firenen-kafa, misy «Observatoire» na ANDRIMASO mitily ny loza manambana na ara-ekonomika, na ara-kolontsaina, na ara-pivavahana, na mikasika ny fitombon’ny mponina, na momba ny fidiran’ny Vahiny, sy ny sisa hafa. Mamono tena izay firenena manao tsirambina ny Azy tsy ho andrianina mialoha ny fitsinjovana izay mety ho an’ny Hafa.
Injay fa nihoby ny olona. Tafaverina izany ny jiro tapaka nandritra ny adin’ny telo. Tsy mbola taonjato faha-21 mihitsy i Madagasikara raha ny fahatapahan-jiro isan’andro no atao mari-drefy. Faramparan’ny taonjato faha-19, fony mbola Andriamanjaka no nitondra ny Tany, dia efa nisy fanandramana handrehitra jiro tao Anatirovan’Antananarivo. Telopolo amby zato taona aty aoriana, mbola olana goavana eto amin’ny firenena ny herinaratra. Raharaha hafa ihany koa ny rano, izay ahiana ho ritra raha mitohy ny fanimbana ny ala sy ny famakiana ireo vatolampy an-tendrombohitra, izay mahagaga fa fandrian-drano. Toa misy masoandro mibaliaka matanjaka amin’ny toerana midadasika tokony ho fantarina ; toa misy rivotra mifofo tsy tapaka amin’ny faritra sasany tokony ho hajariana ; ary indrindra Nosy voadidina ranomasina i Madagasikara. Loharanon’angovo avokoa ireo, tsara hanokanana famatsiam-bola ho an’ny «Recherche & Développement» (Fikarohana & Fanavaozana).
Nasolo-Valiavo Andriamihaja