Tapa-kazo

K-paka, ka-paka, tsak, tsak... Fararano hiditra ririnina ny andro dia injay indray ilay diam-pamaky. Asa, manao ahoana re ny fody sy ry lavarambo alatrano ao isaky ny mahita ireto andian’olona ndeha handrava ny tranony. 

Manaloka hono : fa angaha tsy izany indrindra no ilàna ny hazo, hiaro ny olombelona sy ny biby ary ny zavamaniry tsy ho main’ny masoandro. Manakona hono: asa aloha, eto an-dRenivohitra, manantena hahita torapasika sa ranomasina aiza. Tsy fomba hono raha hoe mihoatra ny trano ny hazo : izany ? Mahagaga ihany satria nisy Ramatoa lehibe izay teny Ambohipiainana, maty «ara-dalàna», izany hoe efa hananika ny zato taona, anefa ny aviavy teo an-tokotaniny nandindona izaitsizy ny trano fonenany.

Voatanisa ao amin’ny Tantara Ny Andriana (lovantsofina nangonin’i Mompera Callet teo anelanelan’ny taona 1864 sy 1883) ho namidy teny an-tsena tamin’ny andron’Andrianampoinimerina (nanjaka 1792-1810) ireto bibikely ireto :

- Tsindretra : tonga angidina rehefa avy miofo fanindroany

- Ondrindrano (na tsikona) : anarana omena ny angidina eo amin’ny fiofoany faharoa rehefa avy miala amin’ny maha tsindretra azy, izay fiofoany voalohany raha vao mivoaka ny atody

- Tsindrahaka : karazan-kadradraka mivelona any anaty rano ka atao hoe «tsimahatafitena» raha mbola kely

- Tsikovoka : anaram-bibikely any anaty rano, tahatahaka ny voangory ka lavalava boribory ny tenany sady voarakotra hoditra mafy, fa ny tongony aoriana no entiny mivoy rano

- Fangorinana : bibikely miofo ho tsikovoka

- Kijeja : valala vao foy

Nisy tamin’ireo mbola tratranay fony ankizy. Nihanika hazo, nilady tamin’ny bozaka, nisambotra valala, nangorovitsika tamin’ny fanday, nangarika famakiloha. Izany hoe tetezin’ny vitsika, tsy heno akory. Ny malailay noho ny ahitra, rehefa hariva vita lalao vao mangidihidy. Hitsikitsika misovoka remby, vorompotsy an-dalan’ny mody, ramanavy mivoaka alina : vorona tsy mba nanavao, mbamin’ny vorondolo miesona an-tilikambo. Nankaiza avokoa izy rehetra ireny...

Dia voatery hiverina amin’ny «Didy ho an’ny Sakaizam-bohitra» (taona 1878) sy ny «Dimiventisitelonjato» (taona 1881) ve isika vao hahay hamaky ny COP21 sy ny isan-karazany. Satria ny olona an-tanan-dehibe no tena fatratra manome tsiny ny any ambanivohitra hoe «mpandoro tanety». Anefa ny TandRenivohitra tsy mba misy milaza hoe mpanimba ny tontolo iainana isaky ny manapaka rantsana manaloka, isaky ny mikapa hazo mandindona. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne