Nolovantsika tamin’ireo misionera LMS (London Missionary Society), nanomboka niasa teto Antananarivo sy Imerina tamin’ny 1820, ny teny hoe «Krismasy» : Christmas < Criste Masse, na hoe «Fetin’i Kristy».
Ilay fiteny iray hafa hoe «Noely» dia nipoitra tamin’ny taonjato faha-12, tany Eoropa zanaky ny teny latina : Natalis Dies ; teny italiana : Natale ; teny espanola : Navidad ; teny portogey : Natal.
Hoe tamin’ny taona 336, rehefa avy nanao fanekem-pinoana ho Kristiana ny Emperora Constantin, no nasandratra ny “Nahaterahan’i Mpamonjy”. Tany Roma izany fankalazana voalohany indrindra izany, ary nofaritan’izy Emperora sy ny Papa Libere ho amin’ny andron’ny 25 desambra: tsy lavitra ny daty efa mahazatra ireo mbola tsy Kristiana hono no antony nisafidianana io andro io, mba hisarihana azy ireo.
Nivoatra tsikelikely ho izao lanonana goavana izao ilay Krismasy, Noely. Fomban-tany germanika ny fananganana hazo voaravaka izay tafiditra ho haingo tamin’ny taonjato faha-16.
Ireo mpihavy holandey, nifindra monina tany Amerika, no nampiditra tany ny teny hoe «Sinter Klaas», nivadika ho «Santa Claus» tato afara. Hoe avy amin’ny anaran’izany Eveka velona tamin’ny taonjato faha-6 izany.
Manodidina ny taona 1930 ny orinasa Coca-Cola no nisavika ny sarin’io anti-dahy be volombava velon-tsiky mpizara kilalao io. Mahagaga moa, resaka marketing ihany, no tsy nisian’ny Coca-Cola by Habibo nisalotra sarin’io «Dadabe Noely» io, tamin’ity Krismasy 2024 ity.
Ny vorontsiloza, izay biby tsy fahita raha tsy tany Amerika, dia vao tamin’ny taonjato faha-16 no tafiditra ho isan’ireo fihinana isaky ny Krismasy. Raha tsy diso lalana, sy anaran-toerana, ry Christophe Colomb, dia tsy ho nisy akory izany henam-borontsiloza andro Noely izany.
Teraka tany Betlehema hoe ilay Jesosy zazakely. Tany Roma anefa no nanomboka ny Noely. Telonjato taona taty aorian’ny namantsihana azy efa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fahazarana manao hanim-pitoloha, ny fampihaingoina ny trano sy ny tanàna ary ny fifanakalozana fanomezana dia nalain-tahaka tamin’ny fety «Saturnales» fanao tao Roma antika.
Mbola roa arivo taona hafa aty aoriana, ny fomba fanao isak’ireo firenena eoropeana nahenika ny vazantany ary ny lafivalo no raikitra ho fomba amam-panao isaky ny Krismasy.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja