«Izay mangina, hono, volamena». Taloha angamba izany. Tamin’ny mbola andron’ny Ntaolo. Fony mbola tsaho tsy nisy gazety, tondro-molotra tsy nisy radio sy televiziona, soketa tsy tamin’ny Facebook.
Vao nahazo vahana ny gazety, fa indrindra ny Radio FM nampian’ny Televiziona, dia ireny hitantsika ireny ny niafaran’ny 1991, 2002, 2009, 2018 : «rotaka». Ra-Malagasy rahateo, toa tsy tia mpitondra, fa mitsetsetra kokoa hatrany ny mpanohitra. Anefa ny mpanohitra androany ihany no efa mpitondra omaly dia mbola hanohitra rahampitso.
Tsy voatery ho marina avokoa izay voasoratra an-gazety, izay voalaza amin’ny radio, izay hita amin’ny tele, izay aparitaka amin’ny Facebook, fa dia mahagaga fa misy mino hatrany izay avo vava indrindra. Indraindray aza, mba tsy hilazana hoe matetika, izay fatra-pamorona indrindra no inoan’ny «mpanara-baovao» kokoa.
Fitaizana tsy ampy, fahalalana tapany, no anton’izany. Ny Demokrasia tandrefana, izay tiantsika alain-tahaka, dia nanana an-jato taona maro nifampitaizana tamin’ny politika, na ny mpanao politika, na ny vahoaka, na ny mpanao gazety.
Ny vahoakan’ny Fanjakana britanika dia notaizain’ny gazety isan’ny tranainy indrindra maneran-tany : The Times (1788), The Guardian (1821), The Daily Telegraph (1855). Ny firenena amerikana ihany koa efa niaina izany fahalalahan-kevitra izany hatramin’ny New York Times (1851), Washington Post (1877). Ny vahoaka indiana, faharoa maro an’isa indrindra maneran-tany, afaka mihambo ho manana ny Times of India, hatramin’ny 1838. Na dia ny mpanjanaka britanika aza no nanangana ity farany, dia izy izao no gazety «broadsheet paper» amin’ny teny anglisy lehibe indrindra manerana izao tontolo izao : 3 tapitrisa isan’andro no atonta, mahatratra 7 tapitrisa isan’andro no mamaky azy.
Ny antsika, «Teny soa hanalana andro» natsangan’ny Misionera britanika tamin’ny 1866 saingy, na fony mbola «Tany Gasy» na nandritra ny fanjanahantany, tsy nalalaka ny fanehoan-kevitra. Resaka fivavahana sy tononkalo manembona «mitady ny very» no nanarian-dia an-gazety. Tao anatin’izany ny Malagasy sasany no sambany nantsoina handatsa-bato, tamin’ny 14 mey 1939 : nahazo vato 11.626 tamin’izany i Pastora Ravelojaona, ho «délégué élu des populations autochtones de Madagascar à la représentation de Madagascar au Conseil Supérieur de la France d’Outre-mer».
1939-2024 : vao 85 taona, izany hoe «Fanabeazana Fototra» raha anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Manginy fotsiny ny «fifidianana» sarintsariny tamin’ny Repoblika Voalohany sy Faharoa. 1958-1989, telopolo taona nanabatiana ny sain’ny vahoaka, nanerena ny safidiny tamin’ny antoko tokana na ny manda-tehezana. Hatramin’ny 1996-1997 indray, nidiran’ny fafi-vola tamin’ny fampielezan-kevitra dia voavidin’ny «tee-shirt» sy ny tsipitsipy madinidinika ny fandatsaham-bato. Raha izany rehetra izany no atambatra, mbola «Garabola» ny taonan’ny demokrasia malagasy, ka aoka tsy hisy hiandrandra fahagagana.
Izany anefa no vantanin’ny Facebook avy hatrany ka tsy mahagaga loatra raha «bobaka» ny fihinanana amam-bolony. Fosa, soketa, lainga, amin’ny vidiny mirary dia mirary, takatry ny besinimaro. Anatin’izany fiaraha-monina vaovao hafahafa izany, izay/izahay vatolampy ka be tsy miteny, dia hangeren’ny voron’adala.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja