Indraindray koa, rehefa tsy misy enjehina, mba miato kely dia mandinika ny manodidina. Tahaka izay nataoko omaly, voalohan’ny volana : tonga teo Andravoahangy-ambony, tokony handray Besarety, no nitohana tsy nihetsika mihitsy. Namonjy sisiny aho dia naka mora.
Sampanan-dalana tsy dia isan’ny mazava loatra eto Antananarivo, raha ny eo. Nandinika tsy satry ny nataon’ilay polisy, hany tokana niasa teo aho.
Tamin’ny andron’ny fahazazana, mbola nahatratra ireo polisy miteronterona anaty «podium», izay sady somary avo noho ny fiara nifanaretsaka no tadidiko toa nisy tafo kely, ho an’ny masoandro sy ny orana. Tetsy Andohan’Analakely izany : sady tsy atahorana loatra ho voahitsaky ny fiara ry zareo no mbola nitazona hazo fotsy tazan-davitra.
Dimampolo taona aty aoriana, ilay zalahy ity sady tsy mitafy akanjo mamiratra rehefa tarafin’ny jiro no mijadona anaty arabe. Karazan’ny manao sorona ny vatany manoloana ireo fiara sakanany. Asa, firy isan-taona ireo polisy mety voadona manao io asa misangy ratsy ny fiara io.
Nanomboka tamin’ny enina sy fahefany ka hatramin’ny fito latsaka kely, tsy nitsahatra nisioka sy nandamina izy, nampifandimby ireo fiara fa io fifandimbiasana io moa no tena tsy hain’ny mpitondra eto. Mino aho fa efa talohan’ny nigadonako teo no nanomboka ny «embouteillages» mampiteny ny moana. Nony efa somary maivana, ka nisosa amin’izay ny fiara, vao iny izy nanainga. Tsy misy fiara nanao «ramassage» na «scooter» kely efa miandry taingenana fa dia honjohonjon’izy samy irery nandeha tongotra.
Mino aho fa mbola maro ireo mpiasam-panjakana, mpiasam-bahoaka, na lahy na vavy, no tahaka iny zalahy iny. Tsy mahazo manary finoana amin’izany isika raha tsy izany afoy tanteraka i Madagasikara. Misaotra, lehiroa.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja