2100 taona, ireo kisarisary hita tao amin’ny zohin’Andriamamelo, anatin’ny faritra voajanahary voaaro antsoina hoe Beanka, any Melaky, faritra afovoany andrefan’i Madagasikara hoy izy sivy mianadahy (David A. Burney, Julian P. Hume, Roger Randalana, Radosoa A. Andrianaivoarivelo, Owen Griffiths, Gregory J. Middleton, Tanambelo Rasolondrainy, Ramilisonina, Chantal Radimilahy) nanao ny fikarohana : «Amin’ireo sary dia misy litera «M», izay tena mitovy amin’ny litera «hawt» amin’ny abidia ethiopiana amharik, izay vakiana hoe «HA». Tena mahagaga fa io kisary-soratra io dia hita ihany koa any Bornéo (Kalimantan, Indonesia), ary any ihany fa tsy aiza na aiza maneraka ny faritra indo-pasifika. Amin’ny fiteny aostrônesiana sasany, io «HA» io dia fanehoana ny hoe «fofon’aina».
Eto dia tsaroako ilay famelabelaran-kevitra nataon’i Xhi, asa roapolo taona lasa angaha, tao amin’ny CGM (Cercle Germano-Malagasy) : io «HA» io no notononiny sady narahiny fihetsika amin’ny tanana ohatran’ny manao rindrina hidonan’ilay tsioka «HA», hampanjary azy ho feo... Rindrin’ny feo, «mur du son»...
Niamboho Rajaofetra Guy, fantatra kokoa amin’ny anarana artista hoe «Xhi», izay mbola nofonosiny mystery hafa hoe «Diadiorasalama Diahatrinielabe» nitambarany izy sy M’âa vadiny. Iraikambivalopolo taona izy izao lasana izao, ka raha tamin’ny fiheverena fahiny, dia efa taona maha-Vazimba izany.
Ho azy mivady, M’âa sy Xhi, dia hoe Madagasikara («Madikaosikara») no fototr’izao tontolo izao. Afaka inoana, azo tsy inoana ihany koa. Isan’ny nanelingelina ahy tamin’ny fanehoan-keviny dia izy niompana loatra, mba tsy hilazana hoe manokana, tamin’ny fampitahana ny teny malagasy sy ny teny frantsay : «Farahantsana», hono, «France»... Ekeko kokoa raha hoe Feno + Aritra no maha «Finaritra» (manoloana ny kanto). Tahaka an’i Dama-Ntsoha, tamin’ny fotoan’androny, izay niezaka nitady foto-teny maromaro noheveriny fa teny sanskrita anatin’ny teny malagasy, dia tsy ho eken’ny mpandala siansa ny fomba nikarohana sy ny voka-pikarohana...
Fanta-daza ilay hira «Besorongola» noforoniny, izay avy hatrany dia nampahatsiaro ahy ilay sary nataon-dRamanda ho fanehoana an’i Faralahy mitaingina vatan-dravinala ka manao korisa an-tampon-tendrombohitra hatrany an-dohasaha. Angano anatin’ilay boky hoe «Eto Madagasikara, Nosy malalantsika» (R. Carle, 1952).
Fa isan’ny tena miavaka, ary «sonia» tsy manam-paharoa, dia ny hoso-dokony. Hono, fa hoe M’âa hatrany hatrany ireo vehivavy mipoitra amin’ny hosodokony. Mbola kely aho no nahita voalohany ny sangan’asany : vehivavy miseho nono, maso mivandraka, vava mibanabana, tsy haiko na mitsiky tokoa, na mikiaka mafy anefa tsy andrenesam-peo. «Havantsika», hoy ny Rainay, raha somary gaga ny ankizy mijery ny sary : korontandrotana, maizimaizina, mampiahiahy... Fantatra avy hatrany anefa fa «Izy».
Nasolo-Valiavo Andriamihaja