Sabotsy faha 16 martsa 2024, famaranana ny taom-pambolen-kazo amin’ny afovoantany , eto Mada-
gasikara. Satria ny Governemanta no namarana izany teny Talata-Volonondry dia inoana fa ny teknisiana ao amin’ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny Ministeran’ny Fambolena no namaritra izany. Ara-tsiansa, noho ny fandinihina ny toetr’andro sy ny toe-tany ary ny jeografia.
Ny alatsinainy 18 martsa aho dia nahita fodilahimena roa niady. Nifanongo amin’ny vavany dia nifampitarika nitsingidina. Ohatran’ireny nianjera fotsiny avy any ambony hazo irewny izy roalahy. Tsy nisy feo na kiaka fa kofokofoka tao anaty bozaka tao. Dia samy namonjy tahon-kazo indray avy eo.
Isaky ny mbola mahita fodilahimena aho dia aleoko averina hatrany ireto lohatenin-dahatsoratra ireto. Ananterana fa ny taona araka ny toetr’andro sy ny joegrafia, tokony tsy hafangaro fivavahana, fanandroana, sikidy. Fa izany indrindra no tsy hampitovy hevitra, hifandroritan-dava eto.
«Fodilahimena miala jaky, fa hoe fararano ?» (tamin’ny 7 aprily 2023) : «Vanimpotoana inona isika izao no toa mainka mamonto tany ny rano ? Setrin’ny «Fodilahimena mitafy jaky lohataona», nosoratako tamin’ny septambra 2022, tonga ity ny «Fodilahy miala jaky fararano» : ao alatrano ao, volana aprily isika ity, mbola misy «Fodilahimena, jila sy tia riaria». Ankoatra ny ambiaty, famantaran’ny Ntaolo ny taona, indrindra fambolena, toa ho lasa mpamantatra kalendrie ihany koa ireto fodilahimena tsy tia hahalala fararano ireto».
«Fodilahimena mitafy jaky lohataona» (tamin’ny 19 septambra 2022) : «Asa ny ambiaty, famantaran-taona, raha marim-potoana any an-tsaha any, fa ny fodilahy mby ho mena, manambara fa atsy ho atsy ny lohataona».
«Ny taona fodilahimena» (tamin’ny 28 septambra 2023) : Nahita fodilahi-efa-ho-mena sahady indray aho, efatra andro taorian’ny «équinoxe» (NDLR : 23 septambra). Fa inona moa izany «équinoxe» izany tamin’ny Ntaolo, izay tsy niresaka mihitsy ny hoe «Tropique du Capricorne» ? Na ny razan’ny mponin’i Vangaindrano sy Toliara, faritra tena manitsaka izany «trôpika» izany aza, moa nahafantatra izay fisiany akory ?»
«Ririnina sa Lohataona : ambiaty, famantaran-taona» (tamin’ny 17 septambra 2022) Raha ny fanadihadiana nataon’i Jean-Claude Hébert dia nizara roa lehibe ny taona dia ny «asara» (oranandro) andaniny, «asotry» (hainandro) ankilany. Saika manerana ny Nosy, na dia tsy mitovy aza ny alimanaka noho ny toetr’andro sy ny toe-tany samy hafa, dia mifandraika amin’ny volana Aogositra-Septambra ny «lohataona», izany hoe «voalohan’ny taona». Lohataona hoy ny Merina, Tsimihety, Antankarana, Betsileo, Betsimisaraka, Bara, Antaivondro, Antaisaka, Antandroy, Sakalava, Vezo, «faosa» izy any an-tSakalava), «volambita» amin’ny Betsimisaraka sasany, «sakave» raha ny Antaisaka, «asaramanty» any Mahafaly (Jean-Claude Hébert, Les calendriers saisonniers à Madagascar, Bulletin de Madagascar, janvier 1968, n°260, pp.42-85). Misy zavamaniry iray, mpaminany ny fiavian’io lohataona io dia ny ambiaty : «rehefa mivelatra ny voniny (volana aogositra) dia fotoana famafazan-ketsa, atao hoe vakiambiaty, aorian’ny «vary aloha», izay afafy aorianakelin’ny fararanom-bakinambiaty (volana mai)» (zahao ny Firaketana).
Ny kalendrie, mety efa nilaozan’ny «changement climatique». Ny tantsaha, baikon’ny taom-pambolena : asa, ihany koa raha efa nivoatra manaraka ity fiovan’ny toetr’andro ity. Ho ahy, ny fodilahimena (vorona) sy ny ambiaty (zavamaniry, Vernonia appendiculata) fambara tsy voafitaka. Sady raha hanao «produits dérivés», «mascotte» mahafatifaty ny fodilahimena mijilajila ambony ambiaty. Dia izy no «totem» solon’ny dragona mena, isaky ny «taom-baovao» eto amintsika.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja