BTP-n’ny taona 2000

Ela ny ela, toa vita ihany ny lalana Soanierana-Ankadilanana (hoy ny Firaketana, taona 1941 : «ankadilanana = toerana eo anelanelan’ny hady anankiroa. Eto Antananarivo, Ankadilanana dia ilay toerana avoavo, nohatsahana tamin’ny tendrombohitra atsinanan’Ambohijanahary ka eo atsimon’i Mahamasina ary avaratry Tsimbazaza»). Asa aloha izay ho faharetan’ny zava-bita. Nosoloina «goudron» sy «béton» ny «pavés» : «gorodom-bato» tena nateza dia nateza, satria efa hatramin’ny andron’ny fanjanahantany. Vato matevimbe tsy nihontsona valopolo taona mahery, tsy mba tahaka ny «goudron» manify sy ny «béton» be fasika fahita ankehitriny.   

Mahavelom-panontaniana ny fahitana ny orinasa samy hafa mifandimby amin’ireny «BTP»  tselika ireny. Tsy inona fa noho ny kitoatoa efa ampoizina dieny amponombohana. Raha vita tsara tarehy amin’ny «béton armé» ny tatatra, moa mbola misy hirika ho an’ny rano  entim-pidinana tokony hivarina antatatra ihany ? Mahatezà noho ny aina hoy ny mpivarotra mirary soa ny mpividy : hahateza noho ny lalana tetezin-dranomaso, vakian’ivitsaka sy mandoan’erikerika ny tatatra tokampo. 

Manana «ingénieur» ve ireny orinasa rehetra ireny ? Sa dia tsy misy dikany ny fianaran’ny olona sasany ho «ingénieur» fa izao papangolahy anaty katsaka rehetra izao dia afaka mitonon-tena ho tsy ambakany ? Manana ny fitaovana rehetra ve ireny orinasa ireny kanefa tsy mampiasa ny olony amin’ny alina (sasak’alina hatramin’ny mangirandratsy) tsy misy fiara mifavezivezy fa tsy maintsy «heure de pointe» no mametraka takela-by hoe «miasa ho anao» ? Sa matahotra ny hiasa jamba rafozana ka tsy maintsy manelingelina antoandro ?

Manginy fotsiny ny fomban-tany tsy azo ivalozana. Tsy miasa sabata, tsy miasa alahady, tsy miasa mangiran-dratsy, tsy miasa somambisamby, tsy miasa mitatao vovonana. Raha isika Gasy aloha no mba hampiantrano ny «Tompondaka Eran-tany amin’ny baolina kitra», dia aleo roapolo taona mialoha dia efa atsatoka ny angady voalohany. Dia alaina mora, jijiana lava, lalaovina mihitsy, ny asa tsy hitan’izay tsy nanao. 

Ny Frantsay, raha niditra tao Mahajanga tamin’ny 1895, tsy miaramila mitam-basy ihany no nentiny, fa teo dia teo tokoa ny miaramila mitana angady nanamboatra ny lalana hirosoan’ny fiarakodia Lefebvre razamben’ny saretintsika ankehitriny. Ary izany asa vaventy nataon’ny miaramila vazaha izany no razamben’io RN4, izay navelantsika an-taona maro hihotsaka ho lavaka sy hantsana, ka mba vita fanarenana ankehitriny ihany koa. Vita, ela ny ela ; sanatria ho simba vetivety. 

Nasolo-Valiavo Andriamihaja 

Enregistrer un commentaire

Plus récente Plus ancienne