Arakara-jokiny : Raoul (01.04.1951), Nono (21.09.1952), Bekoto (08.02.1953), Charles (02.05.1954), Fafa (13.05.1954), Dama (26.05.1954), Dada (21.06.1954) : aleo ny tsara ihany no ifanodiavana, ka aoka ny andro nahaterahan-dry Mahaleo no tanisaina.
Feno 72 taona afak’omaly Dama (Rasolofondraosolo Zafimahaleo), isan’ireo roa sisa tavela, miaraka amin’i Bekoto, amin’ny tarika Mahaleo. Ny taona 72 moa no iaraha-manaiky fa nanombohan’ny Mahaleo : tarika teraka indrindra tao anatin’ireny vanim-potoana nampientana ny Malagasy ireny.
Feno roambinifolo taona tamin’izany ny Repoblika Voalohany, ary efa leom-boan’anana tamin’ny Filoha Philibert Tsiranana ny olona. Ny 30 janoary 1972 anefa dia mbola voafidy fanintelony tamin’ny 99,72% ny mpifidy Ingahy Tsiranana. Fifidianana anarany fotsiny, fandreseana «miezinezina» tsy midika na inona na inona, ary ireny nopaohin’ny 13 mey 1972 ireny.
Nitsoka mafimafy kokoa rahateo ny rivotra politika iraisam-pirenena manondro molotra ny «imperialisma». Roambinifolo taona ny Repoblika malagasy saingy mbola maro ny Vazaha an-dapa sy akaiky vilany : Ministra, Mpanolo-tsaina ara-miaramila, Mpitantana Banky, Mpitondra etsy, Mpitondra atsy, sns. Ireo rehetra nahatsapa ho tompon-trano mihono sy tompony mangataka atiny dia nitaky ny hoe «Fanagasiana».
Izay aloha no tendrom-po tamin’izany fotoana izany, izay niafarany taoriana sy taty afara dia resaka hafa. Indrindra raha mijery izao manjò ny Firenena izao: sady mahantra ara-toe-karena no simba ara-toe-tsaina. Nihitsoka ela tamin’ny «an-dalam-pandrosoana» dia izao mianòtra sady mitambotsotra no mandrorona izao, milofo ho amin’ny «an-dalam-pihemorana».
Valoambinifolo taona katroka i Dama tamin’ny 13 mey 1972. Taonan’ny fanantenana, taonan’ny nofy rehetra. Marobe amin’ny hiran-dry Mahaleo no niandrandra izany anjara masoandro sy maraim-baovao ho an’i Madagasikara izany. Indrisy.
Ireo voa nafafy, taona maro lasa izay, ahi-dratsy no maniry ;
Manahy aho fa tsisy hiova, ny omaly tsy hiova volo.
Nasolo-Valiavo Andriamihaja