Ampio aho hitady

Indraindray aho mihira Irery sasak’alina Mandrotsirotsy mora Miandry ny andro hisandratra

Izany kalokalonii Bekoto izany izao no masaka an-dohako. Kalokalo malahelo, «Ampio aho hitady izany ; Fitiavana tsy hita lany ; Izaho feon-kira very toniny ; Hazo maniry tsisy voniny». Fanina, kamboty, azon’ny tamberin-tany ny Malagasy, sahabo an-tapitrisa vitsivitsy maromaro. 

Mahagaga ho’aho, fa rehefa safononoky ny hafaliana iny indrindra ny rehetra no tratran’ny «embona sy hanina» aho. «Tsy tafiditra» mihitsy, araka ilay fiteny, amin’ny haravoana manodidina izay tsy azoko ny dikany. Vaovao hono ny taona, dia maninona ? Vaovao hono ny taona, ka inona loatra aza no samy hafa tamin’ny omaly ? Vaovao hono ny taona, anefa isaky ny taom-baovao, tao anatin’izay eninambienimpolo taona izay, mandrorona tsy sasatra i Madagasikara. 

Ny omaly tsy miova, manao tsingeringerina, saingy Madagasikara no sangondim-panina. Ka, raha lasa tsy nampalahelo 1959, 1960, 1972, 1975, 1991,1995, 2002, 2009, 2018, ho tsenaina tsy mahafaly ve 2026 ? Misy mety hamelom-bolo ve, misy hantenaina angaha, mba ho tsara amin’izay ve no hifanodiavana ? Fifampiarahabana tratry ny taona ve rey olona ka sanatria teny famangiana manjo no mby ao an-tsaina...

 Tsy izany mantsy fa latsaka anaty hady lalina loatra ny firenena. Kizo impito mandifotra. Sokina nanani-bato, tampin-dalan-kaleha, ka miandry papango hipaoka. Nanaovan’ny sasany handrakandrana ny fiainam-pirenena, nosambasambain-dry zalahy ny raharaham- panjakana, vita takalon’aina ny vahoaka an-tapitrisa. Milaza iaraha-mahita... 

Ndeha mba miserana kely any ivelany any fa esoesoin’ny olona izany Madagasikara izany. Menatra, afa-baraka. Baroa, baranahina, kitoatoa. Mihetsika ny hambom-po saingy vay an-kandrina ka tsy hita afenina, ary na dia eo aza ny hoe «tokantrano tsy ahahaka», fomba ahoana moa no hifaningom-bolo amin’ny rangory fototry ny afo anefa ny tena tsy mpanongam panjakana, tsy mpangalatra «bois de rose», tsy mpanivaiva ambaratonga ? 

Firy marina isika ? Firy marina no atao hoe « Maro aniisa» ? Firy marina no nandatsa-bato «Eny» tamin’ny 1958, 1972, 1975, 1995, 1998, 2007, 2010 ?

Sao dia io «Maro an’isa» tsy fantatra marina na firy na firy io aza, no tsy mampilamina ny Tany sy ny Fanjakana ? Sanatria ve ka dia Repoblika mandringa hatrany am-bohoka, nasiam-panovana be ihany, anefa mbola ahitana indro kely? Repoblika mandova fahasembanana ve ? 

«Misy va re ny fitia, mandrakizay doria ?» hoy Bekoto. Ny fitiavana ity Dago ity aloha dia efa nifandovana ary mbola hifampitaizana. Tsy ny aty aminay no ndeha hampianarina hoe «tia tanindrazana» satria tsy afangaro velively ny fanakianana fitondrana izao sa izao sy ny fitiavan-tanindrazana izay mihoatra lavitra izay fitondrana mandalo miserana rehetra. 

Amiko, fanontaniana telo toko, mendrika hanaovana «référendum» isanisany, vao mahaova ny laharana «Fahatelo» ho «Fahaetra» na «Fahadimy» : Repoblika sa Fitondrana Andriana ? Vahana ho an’ny Filoham-panjakana sa Fizokiana omena ny Antenimiera ? Fanapariaham-pahefana sa Fizakan-paritra ? Raha ny fantatra dia tsy mbola nisy mihitsy, hatramin’ny 1960 no mankaty, «Maro an’isa» nanontaniana ireo. Ampio aho, hitady izany...

Nasolo-Valiavo Andriamihaja

1 Commentaires

  1. les vieux colons ne comprennent plus les malgaches d'aujourdhui.Ils ont connu une population plus civilisée ,plus attachante .

    RépondreSupprimer
Plus récente Plus ancienne